Efa iaraha-mahalala ny voka-dratsy ateraky ny fandraisana zava-mahadomelina, indrindra ireny rongony mahery vaika atsindrona ireny, toy ny rôrô izany. Saingy ity zava-nitranga tany Toamasina, nampitain’ny namana avy ny an-toerana ity ihany koa tena zava-doza. Tovolahy, voalaza fa nitsindrona izany rongony mahery vaika izany no nitsonika tanana sy niendaka nofo mihitsy, taorian’ny fandraisany rôrô. Raha ny voalazan’ny namana hatrany dia rehefa noteran’ny filàny izy dia nampaniraka olona hividy izany rongony izany. Nitsindrona ilay zavatra avy hatrany nony avy eo, saingy taorian’izay dia nahatsapa hafahafa. « Nalailay no sady nangidihidy ny tanany teo amin’ny foto-tsandriny ». Nitohy andro vitsivitsy izany ary io niafara tamin’ny fery goavana, nitsonika ny hoditra ary niendaka ny nofony. Voalaza moa vovon-drongony nitapoka akora hafa no nahatonga izany zavatra izany. Efa noraisina an-tanana teny anivon’ny toeram-pitsaboana moa ity tovolahy ity ary nanafatrafatra ireo izay mbola mandray ireny zava-mahadomelina ireny. Izy izay nahatsapa fa nanenina mafy tamin’ny zavatra nataony, raha ny voalazan’ny namana mpanao gazety any an-toerana hatrany.
m.L