
Omaly no nigadona tao an-drenivohitra ara-toekaren’i Madagasikara ireo “groupes éléctrogènes”. Saingy talohan’izay dia rotaka no niseho. Leo delestazy ny olona…
Raha notaterina teto omaly, fa nisy ny naratra sy ny voasambotra afak’omaly. Ny alin’iny dia nitohy indray ny hetsika ary tsy nijanona raha tsy tamin’ny iray ora maraina, ny zoma teo. Vokany, iray no namoy ny ainy ary maromaro ny naratra. Telo ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana no vaky loha noho ny tora-bato. Nisy ihany koa ny sivily telo voatifitra. Ny iray tamin’ireo izay antsoina hoe Havitriniaina John Xavier, voatifitra teo amin’ny tratrany, dia namoy ny ainy, na dia teo aza ny fiezahana hamonjy azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny roa hafa kosa dia teo amin’ny soroka sy tongotra no voan’ny bala. Tao Anjoma no nitohy ny hetsika ary namakivaky ny tanàna tao Androranga, Ambolomadinika , Mangarivotra ary hatrany Mangarano; izay tsy mifanalavitra loatra ny misy ny biraon’ny Jirama. Nitora-bato ireo olona maro izay leo delestazy ary namaly tifi-danitra kosa ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa nisy anefa ny naman’ireto farany naratra, dia toa lasa nizotra tany amin’ireo olona sasantsasany ny tifitra. Porofon’izany ny fisian’ny iray namoy ny ainy sy ireo roa hafa voa teo amin’ny tongony sy ny sorony, arak’izay efa voalaza etsy ambony. Samy notsaboina avokoa na ireo naratra avy amin’ny mpitandro ny filaminana na ireo avy amin’ny sivily ary tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo, raha araka ny vaovao azo omaly. Nisy vokany ve ny hetsika sa tsia? Raha ny fantatra, omaly maraina no tonga tao Toamasina ny “groupe éléctrogène” izay afaka manome herinaratra 4MW. Tompon’andraikitra ambony momba ny fitandroana ny filaminana, toa ny lehiben’ny zandary sy ny minisitry ny pôlisy no indray tonga tao Toamasina omaly. Nigadona tao ihany koa ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana ary ny talem-pitantanan’ny Jirama. Na izany aza aloha, dia mbola nitohy omaly ny delestazy ary ireo mponina dia mbola nilaza ny hihetsika raha toa ka tsy misy fivoarany ny raharaha. Etsy andanin’izany, ny mpitandro ny filaminana ihany koa dia nanambara fa, tsy hilefitra mihitsy amin’izay mety ho fihoaram-pefy ao Toamasina. Nisy ireo olona izay tapakevitra ny niala tao Toamasina omaly ary nody taty an-drenivohitra, noho ny tahotra sao ho tonga any amin’izy ireo ny gafy isan-karazany. Harahina hatrany ny fivoaran’ny raharaha…
D.R