Raha tsy nisy ny fampiatoan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony, ny fanatanterahana ny fandravana ireo trano 284 tao Tsarakofafa Antetezantoana kaominina Toamasina suburbain, ny zoma tolakandro nitohy ny sabotsy maraina teo araka ny didim-pitsarana, dia saika ady saritaka no nitranga teo amin’ireo ekipana vadintany sy ireo polisim-pirenena nentiny ary ireo fianakaviana tompon-trano.
Ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora sy sasany teo no tonga tao amin’ity fokontany ity ny vadintany sy ny ekipany ary ireo olona maro be nentiny, hanatanteraka ny didim-pitsarana laharana 405 nivoaka ny 08 jona 2016 ary efa nahazoana dika mitovy ny didim-pitsarana ny zoma 10 jona maraina. Tsy nisy ny fampahafantarana ireo fianakaviana 284 voalazan’ilay didim-pitsarana nefa raikitra avy hatrany ny fandravana ireo trano voalaza, izay mbola nitohy ny sabotsy maraina. Tsy nanaiky lembenana anefa ireo fianakaviana nanajary efa am-polon-taonany, ka efa nanomana ny fiatrehana ny fahatongavan’ny vadintany sy ny ekipany. Raikitra ny sakoroka sy ny fifamaliana, efa vonona tamin’ny zavatra nitranga ihany koa ireo vadintany mirahalahy sy ireo polisy ary ireo “gros bras” niaraka taminy.
Ny fahazoana filazana ny fampiakarana ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ambony mitondra ny laharana 136/16, no nampiato ny sakoroka saika nitranga tao Ambodisaina Antetezantoana Toamasina II. Niditra an-tsehatra ihany koa ny ben’ny tananan’ny kaominina Toamasina Suburbain nandamina ny raharaha, ka tonga niaro ny vahoaka eo ambany fiadidiany noho ity resaka ady tany mirefy 18ha 42sa 59a, mitondra ny titra ara-tany 9274-BA mitondra ny anarana hoe “Kevin V”, lasan’ity tera-tany vahiny antsoina hoe “P.P” ity, ary nosoloin’ity ramatoa antsoina hoe “J” monina ao Toamasina I ity ihany koa.
Ankoatra izany, na nisy aza ny fampitsaharana ny fandravana ireo trano an-jatony ity, dia mbola mitoetra hatrany ny ahiahy amin’ireo fianakaviana ireto amin’ny fanajariana ny tany nataony efa am-polo taonany izao. Tsy nisy aloha ny olona nosamborina mikasika ity raharaha ady tany ity. Atahorana anefa ny tohiny izay mety hivadika faty olona mihitsy raha tsy voavaha haingana ny olana misy.
Malala Didier