“Tsy mbola afaka misioka izao fa mbola tsy tafavoaka ny ala, tsy fanaontsika ihany koa ny mandihy tsy afa-tavony. Tsy mbola namoaka ny valin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana”, hoy Rtoa Naharimamy Irma Lucien teto Toamasina ny sabotsy 22 jona teo raha nitety ireo boriborintany dimy nizarany ireo harendrina tamin’ireo zaza notsongaina. Nanomboka tao amin’ny boriborintan’Ankirihiry no nanombohany izany fizarana harendrina tamin’ireo zaza izany, izay nofaranana teny amin’ny kianja vaovaon’i Barikadimy, izay tafiditra amin’ny fiatrehana ny faha-59-n’ny fiverenan’ny fahaleovan-tena sy ny iray volan’ny ankizy, ny volana jona. Harendrina mifanaraka amin’ny lokon’antoko sy misy ny sarin-dRtoa Naharimamy Irma Lucien no nozaraina tamin’izany. Ankoatra izay dia nasiana fanetsemana ireo lavaka nameno ny araben’ny fahaleovan-tena izao, izay asa sahanin’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina vao napetraka. Eo koa ny fanoloana ireo takamoa efa tsy mandeha amin’ny araben’ny fahaleovan-tena sy ireo eny amin’ny fokontany voasokajy ho mena amin’ny tsy filaminana eto Toamasina, izay fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny jirama. Takamoa 150 ireto apetraka ireto, fa mbola miandry ny takamoa 2.300 mahazava ny tananan’i Toamasina iray manontolo.
Malala Didier