
Teo imason’ny minisitry ny vola sy ny tetibola, ny tale jeneralin’ny ladoany vaovao, ny prefen’i Toamasina, ary ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny fanapotehana ireo “heroine” 46kgs sy 100g tratra teto Toamasina, ny alatsinainy paska teo. Sady nolevonina tanaty rano izany sy mbola nalevina taorian’izay no fomba nentina nanapotehana ireto “heroine” ireto; izay natao tao amin’ny tokotanin’ny ladoany ihany. Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ladoany vaovao, dia saika rongony mahery vaika avy any Tanzania sy Pakistan avokoa ireto tratra ireto, namantarana izany ny voasoratra tamin’ny fonosan’ireto rongony mahery vaika 40 ireto. Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana Maorisiana sy ny tafika frantsay miasa ao la Réunion no nahazoana ny vaovao rehetra momba ireto mpanao trafika na rongony mahery vaika ireto. Saingy tafaporitsaka niditra ny sisin-tany Malagasy ireo mpanao ny trafika ka izao niainga avy tao Sainte-Marie ary tratran’ny FIP teto Toamasina renivohitra izao ireo rongony nentin’ireo afrikana (afrikana tatsimo?) dimy mbola karohina ireto. Araka ny fampitam-baovaon’ny tale jeneralin’ny ladoany ihany koa, tsy dia eto Magadasikara loatra no hivarotan’izy ireo ireto rongony mahery vaika “heroine” ireto, na miha-mitombo aza ny mpitsindrona izany tao anatin’ny fito taona izao, fa haondrana mankany Maurice sy la Réunion ary any Azia. Ady goavana hataon’ny ladoany izao ny momba ity trafika na zava-mahadomelina maha-lasa kihon-dalana an’i Madagasikara izao ity; izay mifanohana amin’izany ny ladoany Malagasy sy ny ladoany Maorisiana ary ny ladoany Frantsay ao La Réunion. Ankoatra izany, dia nomarihan’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, fa raha ny tokony ho izy dia ny PAC no fitsarana mitsara ny raharaha rongony mahery vaika eto amintsika, saingy mbola tsy misy izany eto Toamasina, dia ny fitsarana ambaratonga voalohany no misahana ny raharaha.
Malala Didier