- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Noravan’ny kamiao ny taribin’ny Jirama

Toamasina : Noravan’ny kamiao ny taribin’ny Jirama

Kamiao nofain’ny minisiteran’ny fambolena mba hitaterana fitaovana ao Toamasina, no nandrava ny tariby an’ny orinasa Jirama. Ny alin’ny zoma teo no nitrangan’izany ary tariby efa ho roa kilaometatra no nianjera tamin’ny tany rehefa voafaokan’ilay kamiao. Niainga teo amin’ny « frip-Zone »  ary tsy nijanona raha tsy tany akaikin’ny « cité » an’ny paositra izany fahasimbana izany. Taorian’izay dia saika nikasa ny handositra ilay kamiao, saingy efa nisy nampandre ny pôlisy tao Toamasina, ka natao ny fisamborana azy. Ny asabotsy tontolo dia niezaka nanamboatra izay simba ny Jirama ary mba tontosa soa aman-tsara ihany izany ny tolakandro. Milaza ny tomponandraikitra eo anivon’ity orinasa ity, fa hametraka fitoriana, satria azo sokajiana ho fanimbana fananam-bahoaka ny zava-nitranga…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser