- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Novonoiny, notetehany ary naleviny teo an-tokotany ny vadiny

Toamasina : Novonoiny, notetehany ary naleviny teo an-tokotany ny vadiny

Efa ho iray voalana no tsy hitan’ny olona ilay ramatoa. Rehefa fantatra ny zava nisy, novonoin’ny olona ilay lehilahy

Iray volana lasa izay no niseho ny famonoana olona mahatsiravina niseho tany Toamasina. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny tena antony namonoan’ny vadiny azy. Ny vaovao voaray no nahalalana fa novonoin-drangahy ny vadiny. Rehefa maty dida notetehany ary nataony tao anaty sachet. Rehefa izany, naleviny teo amin’ny tokotanin’ny trano ipetrahany ihany. Izay ny zava-nisy. Variana ny havan’ilay vehivavy fa tsy nahita azy nivezivezy intsony. Niezaka nanatona ny vadiny izy ireo. Tsy hita be ihany anefa ny valin’ny fanontanina napetraka taminy. Dia niandry teny ny rehetra. Taty aoriana, tsy nahatanty intsony ny havan’ilay ramatoa ka nanery ny vadiny hilaza izay zavatra tena niseho marina. Teo anoloan’ny trerona sy ny fandrahonana isan-karazany, voalaza fa nibaradaka ny anao lahy. Nolazainy tamin’izay ny zavatra nisy. Novoiny ny vadiny, notetehany, natao tao anaty sachet ary na leviny teo amin’ny tokotanin’ny trano ipetrahany ihany. Nojerena ilay toerana nadevenany azy ary dia tao tokoa ny razana iray efa simba ary tsy fantatra intsony. Omaly izany zavatra izany no fantatra. Vetivety dia nihanaka eran’ny tanàna ny vaovao ary maro ny olona tonga teo amin’ilay trano. Tezitra ny rehetra raha vao nahalala ny zavatra tena niseho marina. Tsy nisy ny fifanazavana fa raikitra ny fitsaram-bahoaka ary tsy nijanona izany raha tsy maty ilay lehilahy. Talohan’ny namonoan’ny olona azy, nilaza ny anao lahy fa nisy mpiray tsikombakomba taminy. Natorony ny anarany sy ny toerana ahitana azy. Ny mpitandro filaminana no nandeha naka azy io mba hisorohana ny zavatra hampitraotra ny mponina. Efa tazonina izy amin’izao fotoana izao.

Eo anatrehanan’ny trangam-piainana isan-karazany manohintohina ny fianan’ny mponina, indrindra ny tsy fandriampahalemana miharo vonoan’olona sy halatra, mafana ny any Toamasina any. Vao afak’omaly ilay nangalatra moto no notapahana tanana ary maty avy eo noho ny rà be loatra very taminy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser