- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Novonoiny ny vadiny dia nitsoaka ralehilahy

Toamasina : Novonoiny ny vadiny dia nitsoaka ralehilahy

Vatana mangatsiaka no novantanin’ny mpifanolobodirindrina amin’ity tovovavy iray monina ao Ankirihiry avaratra, parcelle 11/58, Toamasina. Tsikaritra fa notobasana rano ilay tovovavy, vao 20 taona monja. Hita ihany koa fa misy dian-tanana teo amin’ny tendany. Tsy naharitra ny fahanginana tao amin’ity tokantrano ity ny mpiara-monina aminy ka niantso azy. Ralehilahy rahateo efa tsy teo an-tanàna intsony. Ny trano mihidy avy aty ivelany. Voatery novakiana ny trano rehefa nijanona elaela ny fifamaliana teo amin’izy mivady. Somary anaty lalam-pasika mantsy ny trano fonenan’izy roa. Nandrasan’i Francelette teny amin’ny arabe rangahy vadiny rehefa tsy nody an-trano ny alin’ny alahady teo. Nanomboka teny ny fifamaliana teo amin’izy roa. Nitohy tamin’ny fihibohana tao an-trano izany. Tsy tafiditra tao an-trano hatramin’ny anadahin-dramatoa ka ny manodidina no nanome sakafo maraina azy. Ity zazalahy kely ity dia vao nentin’izy roa avy any ambanivohitra. Mbola niaraka namonjy tsaboraha tany amin’ny tananan-dravehivavy izy roa, vao herinandro lasa monja izay. Efa matetika ihany ny fahenoan’ny mpiara-monina an’izy roa mifamaly toy izao. Niara-niasa tamin’ny toerana fivarotana « La soupe » iray izy roa tany aloha. Mbola miasa ao ilay lehilahy hatramin’izao. Tsikaritry ny mpiara-monina amin’izy ireo fa efa nifamaly tamin’ny alalan’ny antso antariby izy roa ny alin’ny alahady teo. Vao tonga dia niredaka tamin’izay ilay ramatoa. Nisy teny tsy zakan’ilay lehilahy nataon’ilay vehivavy henon’ireo mpifanolobodirindrina. Io no heverina fa mety nampisafoaka azy vao maraina. Nentin’ilay lehilahy avokoa ny entany rehetra. Nanaitra ny mpiara-monina ihany anefa ny nivoahany mangingina teo an-tanàna. Tsy hita hatramin’izao izay nanjavonany. Tsy namonjy ny toeram-piasany ihany koa izy. Namany akaiky iray no nentin’ny mpitandro ny filaminana mba hanoro izay toerana mety hahitana azy.

Jean – Claude STEVE

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser