Nahoraka tao Toamasina ny zoma tontolo ny mikasika ny fampiasana “ody gasy” na “gris-gris” amin’ny fitadiavana an’i Arnaud sy Annie, izay tsy mbola hita hatreto raha nisy naka an-keriny teo ambony tetezan’i Tanambao Verrerie efa ho iray volana sy tapany izao. Voalazan’ny angom-baovao natao fa “toa tsy mahomby ny resaka fampiasana mpitandro filaminana mirongo basy amin’ny fikarohana azy mianadahy, ka aleo andramana indray ny maha-malagasy antsika sao hahitana azy ireo ihany, amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao”. Voalazan’ireo nahita izany nandritra ny karazana joro natao mikasika azy, dia izany “hazo Mananjary” izany no nampiasaina entina hikarohana azy mianadahy ireto, ka ity karazana “hazo masina” amin’ny Malagasy ity no handehandeha eran’ny tanàna hikaroka azy ireo amin’ny toerana nanafenana azy. Raha izao “tantara” izao no jerena izany dia “tsy nahomby ny fakana ireo Gsis sy ny Bc hanao ny fisamborana ireo jiolahy mpaka an-keriny, sy hahitana velona azy mianadahy nalaina an-keriny”. Nefa raha niezaka nanontany ireo tompon’andraikitra samihafa mikasika ity raharaha fakana an-keriny ity izahay, dia tsy nisy afaka nanamarina ny fisian’izany fampiasana “ody gasy” izany izy ireo, satria tena efa mandeha sy miha manakaiky ny farany ny fikarohana mikasika ny raharaha Arnaud sy Annie.
Malala Didier