Raha ny fanafihana tranombarotra sy kiôska mpandefa sy fakana vola amin’ny finday ary ny banky no lasibatra ireo andian-jiolahy mitam-basy teo aloha kely teo, izay dia ny olon-tsotra sy tokantrano heverin’ireo andian-jiolahy hahazoana vola indray no lasibatra. Tao Ankirihiry avaratra izao, dia tovolahy iray namonjy fodiana tokony ho tamin’ny 06ora sy sasany, ny andro rahateo mora maizana noho ny vanim-potoana ririnina, no notifirin’ireo jiolahy teo tsy nisaron-tava sy nitondra basy PA vita gasy. Lasa ny vola sy ny môtô aty ary ny findainy. Voa teo amin’ny kibony ity tovolahy ity, saingy tsy maty ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly be Analakininina Toamasina. Efa tsy maninona ny tenany saingy mbola eny amin’ny hopitaly be izy hatramin’izao mitsabo tena. Ny alin’ny alarobia ihany dia tokantrano iray tao Tsarakofafa no notafihan’andian-jiolahy nitondra basy PA vita gasy ihany koa. Tsy fantatra mazava ny isan’ireto jiolahy, satria teo ireo andiany niditra ny trano, tao koa ireo niandry tety ivelany. Niaro ny fananany sy fianakaviany ity raim-pianakaviana ity ka notifirin’ireo andian-jiolahy, teny amin’ny hopitaly vao fantatra fa bala telo no nahazoa azy nandritra izany. Tsy maty anefa ity raim-pianakaviana ity ary mbola manaraka ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly be hatreto. Tsy mbola misy voasambotra kosa na iray aza na ilay nanafika tovolahy tao Ankirihiry avaratra, na ireto nanafika tokantrano iray tao Tsarakofafa ity. Ankoatra izay, ny fitarainan’ny olona izao dia ny tsy famalian’ireo polisy antsoina amin’ny finday raha misy ny antso vonjy taitra, nefa ireo polisy ihany no manaparitaka ireo findain’izy ireo amin’ny vahoaka, sy ny fahamarinan’ireo tranombarotra sy ireo magazay ary ireo mpanam-bola manana mpiambina mpitandro filaminana nefa ny vahoaka isam-pokontany mijaly amin’ny fanendahana sy sinto-mahery ary vaky trano tsy andro tsy alina.
Malala Didier