Fantsona mpitondra etona no nisy fahavakisana. Izay no niaingan’ny loza niteraka fahafatesana olona. Tao amin’ny orinasa lehibe iray mpitrandraka harena ankibon’ny tany no nitranga izany ny 8 febroary teo. Vaky ny pipeline ary nibosesika nivoaka ny etona « hydrogène » tao anatiny. Telo lahy no teo amin’io toerana io tamin’io fotoana io ary izy ireo rahateo no niharan-doza. Ny iray no voa mafy satria may hatramin’ny 70% ny vatany. Ny roa kosa mba afaka namonjy ny fodiany rehefa nahazo ny fitsaboana voalohany. Teo ihany dia nanapa-kevitra ny orinasa nandefa ilay narary any Afrika Atsimo amin’ny alàlan’ny fiaramanidina manokana. Izay rahateo no isan’ny tombony amin’ny fiasàna eo anivon’ity orinasa matanjaka sy vahiny voakasika ity. Natao avokoa ny fitsaboana rehetra saingy tsy tàna ny ainy na efa nahiditra hopitaly tany ivelany aza. Efa nampodiana ny razana taorian’izay. Raha ny fantatra dia mbola nisy etona hatrany amin’ny 20 bars tao anatin’ny fantsona mpitatitra izany izay vaky. Ny fifampikasohan’izany tamin’ny rivotra anefa dia niteraka afobe avy hatrany ka niteraka ny fahafatesana, na tsy teo no ho eo aza, ho an’ilay mpiasa.
D.R