Nanomboka ny 7 desambra ka nifarana ny 11 desambra teo, ny fiofanan’ireo polisin’ny “Unite d’Intervention Rapide” (UIR) ao amin’ny kaomisarian’i Toamasina, sy ny “Unite Speciale d’Intervention” (USI) ny FIP. Tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Alias Hotel” Mangarano II no nanaovana ny fanofanana azy ireo mikasika ny teknika ho fihatrehana ny fisamborana olona mamoa-doza, ny teknika ho fifehezana ireo andian-jiolahy, ary ny teknika fisamborana jiolahy sy mpanao vivery ny ainy. Tany Antanambao Nosibe kosa no nanaovana ny fanazaran-tena amin’ny fitifirana ho an’ireo andiana polisy manokana ireto. Niisa 33 ireto andiany niatrika fiofanana manokana ireto, ka niisa 17 ny UIR raha 16 ny USI. Mpampiofana telo lahy avy eo anivon’ny polisy Antananarivo no nampiofana azy ireo, izay natrehan’ny talen’ny Hery Vonjy Taitran’ny polisy avy eto Antananarivo. Ity farany dia nanamafy hatrany fa “tsy miova amin’ny tanjona efa napetrany ny polisy, dia ny ady amin’ny kolikolin’ny eo anivon’ny polisy, polisy ho an’ny vahoaka sy ho fiarovana azy, ary ho an’ny filaminany, ary ny polisy manaja ny fitsipi-pifehezana mba hanajan’ny olona azy ihany koa”. Amin’izao raharaha fakana an-keriny efa ahitana rirany amin’ireo mpiray tendro tamin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie, dia manana anjara asa goavana amin’izany ny UIR sy ny USI, ka vonona amin’ny iraka ampanaovina azy ho fanavotana ain’olona.
Malala Didier