- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Polisy handeha hiasa maraina maty nodomina taxi-be Sprinter

Toamasina : Polisy handeha hiasa maraina maty nodomina taxi-be Sprinter

Nahavanon-doza indray ny “taxi-be Sprinter” miasa ao Toamasina, izay manao ny zotra Antseranampasika – Seranan-tsambon’i Toamasina, omaly maraina tokony tamin’ny 06ora latsaka teo tao Salazamay. Polisy ny “force d’intervention de la police” (FIP) hamonjy asa vao maraina no nihara-doza, izay voadona mafy teo amin’ny lohany, ka maty tsy tsa-drano ary potika tanteraka kosa ny motony.

Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso sy nahita ity lozam-pifamoivoizana  ity, dia tena nandeha mafy nihazo ny lalana Salazamay mandalo ny fiangonana “Ste Therese” izay lalana tsy misy zotra na taxi-be akory izy. Raha ny filazan’ny nanatri-maso dia fahamaikana hamonjy laharana ao Antseranampasika fiatombohan’ny zotra ny mpamily azy, izay efa fanaon’ilay mpamily ihany ity fandehanana mafy ity, ka izao nitera-doza namoizana aina izao. Ny fanazavana io ihany no nahafantarana fa nisongona posy mahazo tsara ny hitsiny avy aty ankavanan-dalana ilay taxi-be, nefa noho ny fandehanan’ny mafy loatra dia tsy voaviliny intsony ny familiana, ka nifatratra tany amin’ilay polisy nandeha moto nihazo ny ankavian-dalana, izay sady voahitsaka no voataritarika niala am-polo metatra teo amin’ny fifandonana ny roa tonta vao tafa-janona ilay taxi-be.

Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny fifamoivoizana miatrika ny fakana am-bavany azy hatramin’ny omaly maraina ilay mpamily nahafaty polisy ity; izay araka ny fanazavana azo dia niaiky ny fandehanana mafy nataony izy. Anio raha tsy hisy anefa ny fiovana ara-potoana no hiakatra fampanoavan’ny fitsarana sy mpitsara mpanao famotorana ilay mpamily.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici