
Vodibasy sy totohondry no nanjo ahy, hoy i Mike John, pôlisy miasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Zandary telo no toriany…
Tapakevitra ny hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ilay pôlisy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Mike John, miasa eo anivon’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, noho ny vono sy daroka nanjo azy. Voalazany fa mpitandro ny filaminana niasa teo anivon’ny Emmo-Reg ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo no tompon’antoka tamin’izany fikasihan-tànana azy izany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety i Mike John ary nanazava ny nanjo azy. « Nipetraka tsara teo anoloan’ny Bar an’ny zandriko ; izay eo Morafeno aho. Teo ambonin’ny môtô no nisy ahy no nandalo ny fiara tsy mataho-dàlan’ny Emmo-Reg. Zandary telo no nidaroka avy hatrany tamin’ny totohondry sy ny vodibasy rehefa avy nanontany izay olona tompon’ny moto » raha araka ny fitantarany tamin’ny mpanao gazety. Vita izay dia lasa ireo mpitandro ny filaminana. Voatositosika tao anatin’izany ihany koa ireo olona nikasa ny handamina ny raharaha. Omaly, rehefa vita ny fizaham-pahasalamana sy ny taratasy fanamarinana avy tamin’ny mpitsabo, fa niharan’ny daroka tokoa i Mike John, nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ary naneho ny fahavononany hitory. Aminy mantsy, dia tsy misy antony velively ity fikasihan-tànana azy ity ankoatra ny fialonana. Tao anaty tambajotra sosialy dia hita fa fitohizan’ny herisetra ataon’ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina ny fijerin’ny olona ity raharaha ity. Nifanandrify tamin’ny fahafatesan’i Babali mantsy, hany ka nifandray vetivety ny hevitry ny mpanara-baovao izay samy naneho fa tafahoatra ny fampiasan-kery tato ho ato. Maro no nidera ity fahasahian’i Mike John ny hitory ny mpitandro ny filaminana toa azy ity. Maro torak’izany ihany koa ny manaraka ny vaovao sy izay mety ho fivoaran’ny raharaha. Raha ny tokony ho izy, dia ny fitsarana no manome fahazoan-dàlana hahafahana manenjika (ordre de poursuite) na tsia an’ireo mpitandro ny filaminana ireo. Mitodika bebe kokoa any amin’io sehatra io izany ny sain’ny mpanara-baovao.
D.R