- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Potika ny biraon’ny Jirama, olona efatra voasambotra

Toamasina : Potika ny biraon’ny Jirama, olona efatra voasambotra

Ireo olona voasambotra…
Ireo olona voasambotra…

Tezitra ny olona noho ny fahatapahan-jiro lavareny tao an-drenivohitr’i Toamasina, izay sady renivohitra ekonomikan’i Madagasikara. Niainga tamin’ny filaharana eraky ny tanàna aloha ny fanehoan’ny vahoaka an’izany.   Nabaribarin’izy ireo tamin’ny sora-baventy nolanjainy ny hoe “leo delestazy izahay vahoaka” sy ny hoe “stop delestazy”. Teo ihany koa ny tsioka kiririoka sy ny horakoraka isan-karazany. Nihazo ny biraon’ny Jirama tao Bazary be avy eo ireo olona ary teo amin’izay no nanomboka ny fanimbàna. Izany rehetra izany dia nitranga ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina, ary mazava ho azy fa tao anatin’ny haizina. Nampirehetina ny “pneus” mba hanazava kely ilay toerana hosimbaina sady hampisehoana ny hatezerana ihany koa. Ny nampahalelo dia nisy fiara sendra nandalo teo amin’ilay toerana, nentin’olona tsy manan-tsiny voatoraky ny vato. Tsy nijanona tamin’ny fanimbàna ny biraon’ny Jirama ny hetsik’ireo olona marobe fa mbola nitohy tamin’ny fandehanana teny amin’ny tranon’ny mpiasan’io orinasam-panjakana io koa, tao Tanambao V. Ilay “central thermique” no tena nokendrena hopotehina, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana, saingy tsy tontosa izany. Tora-bato ihany mantsy no tena nataon’ireo olona ankoatra ny fandorana kodiarana. Tonga teo an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nisy avy hatrany ny tifi-danitra sy ny grenady mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ireo olona. Tao anatin’izany no voasambotra ny efatra tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Hatramin’ny omaly dia tsy dia nanova zavatra firy ilay hetsiky ny vahoaka, satria mbola nitohy toy ny mahazatra ihany ny fahatapahan-jiro sy…rano. Mbola mifampihainohaino ny olona sy ny mpitandro ny filaminana ary tsy fantatra izay havoaky ny ampitso…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser