- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - Raharaha GSIS : Niampy dimy ny voarohirohy tany an-toerana, roa...

Toamasina – Raharaha GSIS : Niampy dimy ny voarohirohy tany an-toerana, roa karohina

Olona 5. Ireo no indray nanampy ireo telo lahy voasambotra tao Moramanga, fa naka ankeriny mpandraharaha tao Toamasina. Nampifanatrehina tamin’ireo namany tany Toamasina omaly ireo telo lahy, rehefa avy nohadihadiana teto Antananarivo. Ny fanazavana tamin’ny mpanao fanadihadiana no nahalalana, fa namatsy basy kalachnikov azy telo ireo ny voasambotra tao Toamasina. Ny efatra tamin’ireo dia mpitandro ny filaminana avokoa. Ka ny tompon’andraikitra lefitra ao amin’ny fisahanana  ny ady heloka be vava ny iray tamin’ireo. Manamboninahitra lefitra tao amin’io sampanasa io kosa ireo telo lahy. Ireto farany izay niandraikitra ny fakana ny vaovao teny amin’ny tontolo manodidina ireo mpandraharaha nahazoana ilay 140 tapitrisa Ariary. Vehivavy kosa ilay faha-5. Ity farany izay akaiky kokoa ilay mpivarotra jirofo any Fenoarivo Atsinanana. Ny fanadihadiana natao tao Toamasina ihany koa no nahalalana, fa vola nividianana jirofo io vola io. Mialoha io dia efa naloa tamin’ny alàlan’ny taratasimbola ny entambarotra, ny alarobia 5 febroary. Nolavin’ny olona iray akaiky ilay tompon’ny jirofo monina ao Fenoarivo Atsinanana anefa izany tao aoriana kely. Teo no nahatonga ireo mpanao fanadihadiana hiahiahy ny amin’ireo olona manodidina ilay mpivarotra jirofo monina ao amin’ny renivohitry ny faritra Analanjirofo. Vokatr’io, dia niitatra any amin’ny fikarohana ny MCT (membre du conseil de la transition) sy manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimaria ihany koa ny fikarohana lalina ny momba ity raharaha ity. Hatreto anefa dia fantatra, fa hatolotra ny fampanoavana anio eto Antananarivo, ity raharaha ity.

Jean – Claude STEVE

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser