- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Raikitra indray ny fanendahana mpianatra

Toamasina : Raikitra indray ny fanendahana mpianatra

Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo ray aman-dreniny dia mahazo vahana ny fanendahana mpiantra mandeha mianatra vao maraina na ireo mirava hariva amin’izao. Saika ireo finday avo lenta ampitondrain’ny ray aman-dreniny azy ireny no lasibatra mandritra izany, ka ireo kelikely sandry no tena voa mafy mandritra izany. Tranga iray no niseho teo akaikin’ny fiangonana « sacré cœur » Tanambao V, mpianatra handeha hianatra no lasibatra halatra finday teny aminy, saingy tsy lasa lavitra ilay mpangalatra dia tratran’ny fokolona izay efa maro ny teny an-dalana. Avy hatrany dia nakan’izy ireo kodiarana fiara ilay mpangalatra ary efa saika nodorany fa tara kely ny mpaka afo ka ny polisy tsy lavitra teo no tonga mialoha ka avotra soa aman-tsara tsy may velona teo ilay mpangalatra. Nentiny polisy avy hatrany izy hiditra birao ho amin’ny fakana am-bavany, ka ho hita eo ny tohiny satria mbola tratra teny amin’ity mpangalatra ity ilay finday nangalariny. Mbola tena tanora ity mpangalatra ity raha, araka ny fahitana azy, ka maro no nilaza fa maninona raha ampiasaina hitadiavana vola am-pahamarinana ny sandry beny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici