- Publicité SW45 -
dimanche, mars 30, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Raikitra koa ny halatra kisoa

Toamasina : Raikitra koa ny halatra kisoa

Nandritry ny fisavàna tanàna sy trano

Raha halatra akoho amam-borona izay nambara fa halabotry teo aloha no nalaza dia efa miakatra an-tanana indray izao ny “dahalo” mpangalatra omby sy kisoa eto Toamasina. Taorian’ny fahatraran’ny polisin’ny FIP ilay mpangalatra omby tao Ambalamanasy farany teo, dia mpangalatra kisoa indray no nifanenjehan’ny fokonolona ny talata 25 septambra teo tao Tanambao Verrerie, izay andro antoandro be nanahary izao, satria tokony ho ny mitataovovonana teo no nanaovany ny halatra, izay isan’ny fokontany be mpiompy ity karazana biby fiompy iray ity. Raha ny angom-baovao natao dia an’ny fianakaviana iray mpiompy kisoa ireo biby ireo. Matetika no misy very hatrany ny kisoa ompiany, saingy tsy mety fantatra mihitsy ny mpanao izany, satria mandritra ny fangalaran’ireo andian-jiolahy azy dia tsy mikiaka mihitsy. Ny talata io anefa dia tsikaritry ny tompon’ny kisoa teo ambony akalana mpivarotra henan-kisoa iray tao Tanambao Verrerie ihany ny kisoany, fantany tamin’ireo marika napetrany taminy izay izay izy tompony ihany no mahalala azy. Nilaza ity ramatoa nivarotra kisoa halatra ity fa tsy maka henan-kisoa eny amin’ny abatoara izy fa misy olona manatitra izany aminy ary tomba-maso no atao hamantarana ny vidiny. Avy hatrany dia niantso polisy ny tompon’ilay kisoa ka nanomboka teo ny fanenjehana ireto mpangalatra kisoa ao Tanambao Verrerie ireto. tovolahy kely iray no voatondro ho mpangalatra kisoa ao an-toerana ity, ary niaiky izany koa ity tovolahy kely ity raha nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fakana am-bavany. Niala tamin’ny fitoriana ity tovolahy ity anefa ilay tompon’ny kisoa very satria misy rohim-pihavanana ny tenany sy ny ray aman-drenin’ity tovolahy kely mpangalatra kisoa ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici