Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo mpanolotsain’ny kaominina, izay haharitra telo andro mifarana anio. Isan’ny antom-pivorian’izy ireo amin’izany ny fihaonana amin’ireo mpanatanteraka, sy ny ben’ny tanàna, mikasika ny fitarainan’ny olona mikasika ny asa ataon’izy ireo.
Fifamaliana sy valy boraingina. Omaly maraina raha tonga ny fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna sy ireo mpanatanteraka, dia nivatravatra avy hatrany tamin’ny valy boraingina ny fanasana nataon’ny mpanolotsaina azy ny ben’ny tanàna, ary sahy nilaza mihitsy fa “izaho dia mpanatanteraka, izay tiako izany no hataoko fa tsy izaho mihitsy no baikonareo amin’ny asako sy izay tapako, ary izay tiako hosoniavina”. Raikitra teo ny fifamaliana teo amin’ny mpanasa sy nasaina, izay voatery namerenan’ireo mpanolotsaina tamin’ny ben’ny tanàna ny lalàna mifehy azy ireo voarakitry ny didim-panjakana 2014-020, milaza fa “tsy misy hevitra azon’ny ben’ny tanàna tanterahina raha tsy mandalo mpanolotsaina ny fanapahana azy”. Voatery nandamina ny raharaha ireo mpanolotsaina avy amin’ny Mapar nivoahan’ny ben’ny tanàna, na tezitra tamin’ny “vavabe” nataona aza izy ireo.
Vaky ny ady. Nivoaka nandritra ity fivoriana omaly maraina ity avokoa ny lonilony misy eo amin’ny mpanolotsaina sy ny ben’ny tanna, izay nahitana fa “vaky ny ady” eo amin’ny roa tonta. Raha namoaka ny lisitra mahazo ireo tambin-karama samihafa amin’ny maha-mpanolotsaina azy ny ben’ny tanàna, dia nisy iray tamin’ireo mpanolotsaina tsy nampidiriny anaty lisitra, ka nahatonga ny mpanolotsaina Dr Rakotomanana Gervais nampiaka-peo, fa “raha tsy foinao, na volam-bahoaka aza no tantananao, dia azonao tsy omena ny mpanolotsaina io fa tsy misy olana, saingy eo isika mahita ny tohiny”. Nivoaka ho fanta-bahoaka koa aza, satria natsikafon’ireo mpanolotsaina ny kolikoly avo lenta ataon’ny ekipan’ny ben’ny tanàna amin’ny fandraisana mpiasa, izay andoavana vola 500.000 ariary isaky ny olona, hany ka tao anatin’ny telo volana fotsiny dia niampy 250 ny mpiasan’ny kaominina, nefa ny anton’ny fitokonana tsy mety vita hatramin’izao dia noho io resaka karama io ihany.
Mitohy anio maraina ny fihaonana eo amin’ireo mpanolotsaina sy ny ben’ny tanana ary ireo mpanatanteraka, izay mbola ahiana ho fifanasana vangy eo amin’ny roa tonta ihany, satria efa mandeha ny fanangonan-tsonia sy fifandresen-dahatra eo amin’ny samy mpanolotsaina amin’ny fandaniana ny ho fampiatoana ny ben’ny tanana, ho fandaminana ny raharaha izay tena tsy manaran-dalàna araka ny fahitan’ izy ireo azy, izay tohanan’ireo mpanatanteraka sasany efa leo ihany koa.
Malala Didier



