Raha nangingina ny resaka fanafihana mitam-basy teto Toamasina tato ho ato izay, saingy nahazo vahana ny vaky trano sy ny famakiana magazay, dia niverina indray izany nanomboka omaly tolakandro tao Tanambao V. Ny angom-baovao natao no nahalalana fa nandeha naka vola tamin’ny banky iray teto Toamasina ity ramatoa ity sy ny zanany mbola kely. Efa narahan’ireo andian-jiolahy efatra nitaingina moto scooter avy any amin’ny banky ny tenany, ka raha izy niala Tuc-Tuc teo Tanambao V iny dia avy hatrany dia tsy nisalasala ny nitifitra azy ireo andian-jiolahy nanaraka azy avy any amin’ny banky nakany vola. Voatifitra teo amin’ny feny roa ilay ramatoa ka avy hatrany dia namotsitra ny vola tao anatin’ny poketrany. Vao nahazo izany ireo andian-jiolahy dia lasa tahaka ireny tsy nangalatra sy nanao asan-jiolahy ireny. Tsy fantatra mazava ny tena sandan’ny vola lasa, fa ny fanazavana no nahalalana fa vao avy nividy tany ireto fianakaviana ireto, ka avy naka ny vola vidin’ilay tany ilay ramatoa izao niharan’ny fanafihana nataon’ny andian-jiolahy izao. Vao nahazo ny antso tamin’ny fisian’ny fanafihana ny polisy dia tonga avy hatrany ary nanao ny fanarahan-dia, saingy efa tsy hita ny nandosiran’ireto andian-jiolahy ireto. Mamerina hatrany ny polisy fa afaka maka azy ireo ny olona, na orinasa, na fikambanana, raha toa ka haka vola be amin’ny banky ho fisorohana ny tahaka izao fanafihana izao. Maimaim-poana ny fakana azy ireo raha ny fanazavan’ny kaomisera misahana ny filaminana eto Toamasina sy ny komandan’ny FIP. Raha izao zava-nisy nanomboka omaly izao izany dia manomboka hiverina indray ny fanafihana ireo olona mpikirakira vola eto Toamasina.
Malala Didier