Tantara hafa indray ity niseho tao amin’ny kaominin’Ambodilazana Toamasina faharoa, tao amin’ilay Tanana atao hoe Ambodielana mifanakaiky amin’ny Tanana Sarilenta. Tsy fantatra ny antony na efa notsiriritin’ity tovolahy ity hatramin’izay ity ramatoa be 52 taona ity, fa vao nifanena taminy teny an-dalana ny alahady hariva teo tokony tamin’ny 6 ora sy fahatelony hariva teo, dia nenjehiny ka vao tratra dia naolany avy hatrany. Tao anatin’izay anefa dia mbola nokakeriny ihany koa ny sofiny sy ny tarehiny, izay nisy niala mihitsy moa ny sofiny tamin’izay. Taorian’izay vao naolany ilay ramatoa be, tsy vitany natao teo anoloana ihany fa mbola naolany avy any aoriana koa ilay ramatoa be. Tsy naharitra ela anefa dia voasambotry ny fokonolona ilay tovolahy 20 taona nanolana, ary ilay ramatoa be voaolana kosa nentina avy hatrany teto Toamasina mba hahazo ny fitsaboana sahaza azy. Rah any filazan’ny olona dia saika hanatitra sakafon-janany hiatrika fanadinana “CEPE Blanc” na CEPE andrana ny tenany izao voaolana izao; ary fianakaviana sahirana izy ireo ka miantso vonjy ho an’ny vahoaka mba hamonjy azy amin’ny fitsaboana mety hatao. Tena voa mafy ity ramatoa be ity satria nandritra ny fanolanana dia mbola navoakan’ilay tovolahy koa ny fivoahany, izay tena mampanano sarotra ny fitsaboana hoy ny mpitsabo. Efa mandray an-tanana ny fikarakarana azy aloha hatreto ny minister any mponina sy ny toem-pitsaboana manokana misahana ireo vehivavy hiaran’ny herisetra eo anivon’ny Hopitaly be.
Malala Didier
Commenter :tena efa fohany hatram ny voniny mints no mahatonga anzao,olona efa ts normal tsoni,sad nokakeriny ane ono ny sofin’le rabebe e?Fa aiza ary le we fanasaziana momba ny mpanolana?Fa la probleme le OLANA