- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Ramatoa iray maty voatsatoka antsy

Toamasina : Ramatoa iray maty voatsatoka antsy

Tsy tonga teny amin’ny hôpitaly akory dia efa tapitra ny ain’ilay ramatoa. Izany dia vokatry ny fahaverezan-dra be loatra teo aminy. Tsatoka antsy telo be izao mantsy no nataon’ireo jiolahy taminy. Nisy ny nahazo ny fony tamin’ireo tsatoka antsy teo amin’ny tratrany. Ny alin’ny alakamisy teo no nitrangan’izany teny amin’ny fokontany Mangarivotra ao Toamasina. Novakian’ireo jiolahy ny trano. Nisy ny fifanoherana teo amin’ny tompontrano sy ireo mpanafika. Ankoatra ny nahazo ilay ramatoa, miady amin’ny fahafatesana ihany koa ilay rangahy izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly be Toamasina. Nahitana tsatoka antsy avokoa ny kibony sy ny tratrany.  Nanaitra ny mponina any an-toerana fa tsy nisy hita ny vola natokan’ny mpandraharaha iray entiny manao ny vonjy aina toy izao. Nametraka vola isaky ny fokontany io mpandraharaha io, mba hahafahan’ny fokontany tsirairay mitondra ny traboina sy trapahasahiranana eny amin’ny hopitaly. Tafiditra amin’ireo lazaina fa halabotry izao ny fanafihana nataon’ireo andian-jiolahy ireo. Tsy matahotra ny hamono anefa ireo mpandroba raha vao miezaka ny hamaly ireo tafihany. Saika ny zavamaneno sy ny fitaovana andakozia hatrany no alain’ireo jiolahy amin’ny fanafihana. Hatreto aloha dia tsy fantatra ny tahirin’ity tokontrano ity ka mety nahazoan’ireo jiolahy tsiliantsofina ny haben’ny vola. Trano vita amin’ny fitaovana eto an-toerana no honenan’izy roa ireo. Tsy nanano sarotra ho an’ireo mpamaky trano ny namaky ny varavarambe. Efa tao an-trano vao naheno ny tompon-trano ka velona ny fifanjevoana. Tratran’ny be noho vitsy sady tsy niomana amin’ny fitaovana fiadiana amin’ny jiolahy ihany ny tompon-trano. Tato ho ato dia ahitana tsatoka antsy avokoa ny fanafihan’ireo jiolahy ao Toamasina renivohitra. Mialoha ity tranga ity, tovolahy iray no voatsatoka antsy teny Mangarivotra ihany, ary naterin’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny hopitaly. Tsy mbola misy tratra aloha hatreto ity andiany mpamaky trano sady mampiasa fitaovana maranitra ity. Inoana fa ho voajerin’ireo mpitandro filaminana ao anatin’ny fotoana fohy.

Jean-Claude STEVE

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser