Ramatoa iray 40 taona nilaozam-badin’ny mamelona ny zazany vao 3 taona irery, no saron’ny polisy miady amin’ny fianahan’ny rongony eo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava. Tao anatin’ny fisavana ny trano araka ny didy navoakan’ny fampanoavana, dia fonosana rongony niisa 60 nafenina tao ambany kidoro, sy fatorana rongony niisa 4 nalevina tao ambany gorodona no tratra tao aminy, tao Tanambao Verrerie. Voalaza fa rongony entin’olona avy any Ifito ao Toamasina II ireto rongony ireto, ary izao fivarotana rongony izao no entiny hamelomany tena sy ny zanany. Nomarihan’ny kaomisera Ramilison Céléstin anefa fa izao firongatry ny fivarotana rongony sy ny fahamaroan’ny fidorohana rongony izao, no mahatonga ireo tsy ampy taona manao “foroches”, sy mampirongatra ny asan-jiolahy samy hafa eo amin’ireo feno taona eto amintsika, ka tsy maintsy fongorina.
Tao anatin’ny telo volana izany dia mpivarotra rongony faha-9 saron’ny polisy tao Toamasina ity, ka tamin’ireo tratra hatramin’izao dia tokana ihany ny lehilahy fa vehivavy avokoa ny ambiny; izay sady mpamatsy ireo mpaninjara no mpampifoka ao an-tranony ireo mpidoroka; ary mpamongady izany amin’ny fiarahana miasa amin’ireo mpamatsy ny rongony ao Toamasina II.
Malala Didier