- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Rangahy maty novonoin’ny namany mpiara-misotra toaka aminy

Toamasina : Rangahy maty novonoin’ny namany mpiara-misotra toaka aminy

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no nahitana ny fatin’ity raim-pianakaviana iray izay manan-janaka telo, fantatry ny mpiara-monina aminy amin’ilay hoe “Tega”, ny alahady 23 jolay lasa teo iny, satria dia feno ratra sy nahitana fahavakisana ny lohany ary nisy lavaka maromaro ny vatany. Nohamafisin’ny mpitsabo nijery ny fatiny ihany koa izany izay mbola nohamafisin’ity mpitsabo fa feno mangana ny tenany manontolo. Raha ny fanazavana dia niara-nirevy tamin’ny namany maromaro izy ny sabotsin’ny nahitana azy maty nisy namono io, tao amin’ity mpivarotra iray ao Tsarakofafa mivarotra zava-pisotro misy alikaola vita malagasy iray. Tsy hay izay nitranga ny alin’io sabotsy io fa i « Tega » maty feno ratra sy mangana no hitan’ny fianakaviany. Avy hatrany anefa dia nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka be vava ny fianakaviany ny alahady ihany, ka ny alatsinainy dia fantatra avy hatrany ny nahavanona ny famonoana azy, izay nahitana mpivarotra toaka gasy iray niaraka tamin’ny namany iray ary ity renim-pianakaviana mpivarotra zava-mahadomelina vadin’ilay mpivarotra ihany. Fantatra ihany koa fa namarotra tany fananany mihitsy ny fianakavian’ireo voasambotra hanavotana ny havany. Noho izany, nandritra ny fiakaran’ny raharaha teny amin’ny fitsarana dia ny roa ihany no miandry fitsarana any am-ponja, fa nahazo fahafahana vonjimaika am-ponja kosa ilay renim-pianakaviana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici