Vokatry ny fiaraha-miasan’ny FIP amin’ireo andrimasom-pokonolona, tsy mitsahatra mifanome vaovao amin’izy ireo noho ny firongatry ny fanendahana sy vaky trano ary ny sinto-mahery isaky ny fokontany eto Toamasina, dia sarona ny sabotsy alina raha tsy nanam-po na inona na inona ny ekipan’i “Sardo” izay vao 18 taona monja, nefa efa lehibe na andian-jiolahy mpanendaka môtô eo amin’ny lalam-baovao Tanambao V. Tratra niaraka taminy ihany koa ireo namany ; izay samy mbola tsy ampy taona sy mbola mpianatra taona voalohany eny amin’ny Lycée J. Rabemananjara i Guillame 17 taona avy ao Ankirihiry sy kilasy taona faha-4 amin’ny CEG Ratsimilaho i Jean Michel 15 taona avy ao Andranomadio. Isan’ny mampitaraina ireo tratra hariva mihazo ny lalam-baovao Tanambao V, indrindra ireo mpitondra môtô mandeha irery sy vehivavy ny asa ratsin’ity andian-jiolahy mpanendaka tarihan’i “Sardo” ity, ary saika isan’andro dia manao ny asa ratsiny eo amin’ity faritra ity hatrany izy ireo. Nandritra ny fotoana nahatrarana azy ireo koa, dia mbola nahitana ilay fanafody fitsaboana saina antsoina hoe “Rivotril” tany amin’izy telo lahy ireto, izay ampiasain’izy ireo ho solona zava-mahadomelina alohan’ny hanaovan’izy ireo ny fanendahana fanaony. Eo koa ireo antsy lava sy sabatra fitondran’izy telo lahy ireto, entina handrahonana ireo olona mitondra moto lasibatr’ izy ireo ihany koa. Nomarihan’ny Kaomisera Rafaliarivo Jules komandan’ny FIP hatrany, fa raha misy ny fiaraha-miasa matotra sy fampitam-baovao haingana avy amin’ireo andrimasom-pokonolona, dia misy hatrany ny vokatra azo ary hizaka ny ratsy vitany ireo andian’olon-dratsy tsy mampilamina ny tanànan’i Toamasina.
Malala Didier





