Nanana fahasahiana izy mianaka ireto sahy nijoro teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina ny talata teo, noho ny fitoriana nataon’ity renim-pianakaviana iray tamin’ny fanolonana nataon’ny vadikeliny tamin’ny zanany izay vao 12 taona monja nandritra ny tranga niseho. Tsy teto Toamasina ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga fa tany ambanivolo, ka izy mianaka ihany no tao an-trano izay mifanila amin’ny tranon’ny anadahiny sy ny havany ihany. Ny 26 novambra lasa teo, iray andro hahatongavan’ny vadikeliny avy any ambanivolo, dia nanapa-kevitra ity raikely hanolana ny zava-badiny. Efa voaomana ny zava-pisotro sy ny vola 10.000 ariary hanambazana ilay ankizivavy 12 taona nandritra izany, saingy teo am-panolanana ilay ankizivavy tamin’ny fitombenany ingahy no niantso vonjy ilay ankizivavy izay mbola variana natory teo ampandrinany. Noezahiny notambazana vola sy zava-pisotro ihany saingy niantso vonjy tamin’ny dadatoany izy ka tonga nijery ny zava-nisy izy ireo. Teo dia nafindra trano aloha ilay zaza ka ny fahatongavan’ny reniny no nitondra azy teny amin’ny Ivon-toerana Vonjy nijerana ny fahavoazana, izay namoahan’ireto farany ny fahasimban’ilay zaza na ny avy ao aloha na ny avy ao aoriany, izay mbola nahazoan’ilay ankizivavy aretina sifilisy ihany koa taorian’ny fanolanana azy. Niezaka ny nandà ny nataony ilay raikeliny saingy raha namoaka ny didim-pitsarana ny filohan’ny fitsarana ady heloka sy ireo mpitsara mpanampy araka ny fangatahan’ny tonia mpampanoa lalana ambony amin’ny fampiharana ny lalana, dia sazy 07 taona asa an-terivozona sy lamandy roa tapitrisa ariary no azon’ity raikely ity.
Malala Didier