Miverina indray amin’izao andro fialan-tsasatra izao ity resaka “clan” ity eny amin’ny fokontany maro ao Toamasina. Efa nisy izy ity teo aloha izay nahasamborana zatovo lahy sy vavy maro teo ary nijanona taorian’izay, ankehitriny lasa nahazo vahana indray ilay izy. Raha ny hita sy tsapa aloha dia ny ao Valipinson – Andranomadio – Salazamay – ary Ambohijafy, no tena ahitana ireto “zaza maditra” ao anaty “clan” ireto. Ny “clan pyramide” sy ny “clan bandes de 15” no tena malaza sy ahemoam-baovao foana saika isan’andro ao Toamasina, satria mitondra fitaovana toy ny kaboda – sabatra – antsy fohy – ary fitaovana maranitra samy hafa izy ireo. Sahy mandondona vavahan’olona tian’izy ireo asiana ireotanora ao an-trano izy ireo. Ankizy telo mianadahy hody any Ambalamanasy “carreau I” izao tokony tamin’ny 05ora hariva omaly no saika niharan’ny daroka sy famonoana mihitsy raha nifanena tamin’ireo “clan bandes des 15” tamin’ny lalana misy azy ireo, nisy nahita ka ireo olona nahita no nanatitra azy telo mianadahy nody. Tsy misy heloka an’ireto ankizy telo mianadahy, fa ny fandalovana amin’ny “quartier” misy azy ireo fotsiny ny olana ka saika hidarohan’izy ireo ireto ankizy ireto. Raha ny fanazavan’ireo olona nahita sy raharaha dia misy manao saron-tava toa ireny jiolahy ireny mihintsy ny sasany tamin’ireto “clan bandes de 15” ireto; ka eto indrindra no mahatonga ny olona maro manentana ireo mpitandro ny filaminana hijery akaiky izao raharaha izao, fe efa tena lasa “jiolahy” mihintsy ireo tanora maro ao anatin’ity “clan” ity. Tokony ho faizina sy hanarina ary ahitsy ireo tanora ireo hisorohana ny ho aviny sy ny filaminan’i Tanana ao Toamasina renivohitra.
Malala Didier