- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Jiolahy roa mpanendaka matin’ny polisy

Toamasina renivohitra : Jiolahy roa mpanendaka matin’ny polisy

Nirefotra indray ny basy ny alin’ny alarobia nifoha ny alakamisy teo tokony tamin’ny 2 ora maraina. Teo akaikin’ny sekoly “Séraphin” amin’ny lalam-baovao Tanambao V no nitragan’izany araka ny fanazavana azo. Araka ny fantatra dia jiolahy roa no lavon’ny balan’ny polisy, teo am-pandravana olona nataon’izy ireo. Raha ny fanazavana dia efa-dahy izy ireo no miaraka amin’ny fandravana olona toy izao, ka sendra olona nandeha posy teo akaikin’ny paositra Mangarivotra dia avy hatrany dia nandrava. Lasa tamin’izany ny zavatra teny amin’ilay mpitaingina posy ka isan’izany ny findainy. Niezaka nanatona UIR teo amin’ny “police centrale” ilay mpitaingina posy nanazava ny zavatra nahazo azy, ka ireto polisy indray no nanao vele-pandrika tamin’ireto mpanendaka efa-dahy ireto. vao nandalo akaikin’ny tetezana eo mangarivotra ilay posy efa feno polisy no nosakanan’ireto andian-jiolahy, ka raikitra teo ny fifanjevona teo amin’ireo mpanendaka sy ny polisy ary niafara tamin’ny fahafatesana teo ireo roa lahy, ny roa lahy hafa kosa tafatsoaka nandritra izany. Tafaverina nandritra izany ny findain’ilay noravain’izy ireo. Mazava ny tenin’ny talem-paritra atsinanana ny filaminana anatiny, kaomisera Rakotovao Jean Christian, fa tsy handefitra sy tsy hitsitsy amin’ireo olon-dratsy mampitondra faisana ny vahoaka eto Toamasina ny polisim-pirenena eo ambany fiadidiany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici