- Publicité -
jeudi, octobre 16, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Mahazo vahana ny faty olona mifono misitery

Toamasina renivohitra : Mahazo vahana ny faty olona mifono misitery

Manontany tena avokoa ny olona eto Toamasina ankehitriny noho ny fisian’ireo faty olona mifono misitery tato ho ato izay. Ny faran’ny herinandro teo indray taorian’ireo faty maty an-drano farany teo, dia nisy indray faty roa natelin’ny rano hita faty ankoatra ny iray fahatelo noeverina fa nisy namono. Voalohany ingahy Fabio 12 taona natelin’ny Ranomainty ao Ambalamanasy raha nandeha naka vorona voafitiny tamin’ny filesy. Ny talata 03 janoary vao hita ny fatiny raha ny 02 janoary izy no natelin’ny Ranomainty. Ny faharoa dia i Jimmy 25 taona maty natelin’ny ranomasina tao amin’ny faritra Darafify iny, ka ny andron’ny alarobia 04 janoary vao hita ny fatiny.

Nitohy hatrany ny loza an-drano mahafaty olona teto Toamasina, satria ny sabotsy 07 janoary tokony tamin’ny 02ora tolakandro dia tovovavy antsoina hoe Jessica 13 taona no maty teo amin’ny “pont mainty” raha nikasa hisasa tao anatin’ny rano ilay tovovavy. Ny alahady 08 janoary anefa vao hita ny fatin’ity tovovavy Jessica teo amin’ilay faritry ny “pont mainty” iny. Ny tena nahagaga ny maro dia taorian’ny hanitana ity tovovavy maty an-drano ity, dia nahita vehivavy niempo an-drano mifanototra tongotra aman-tanana hita faty izay noeverina fa novoin’ny olona. Ny alahady io ihany saingy ny maraina kosa tokony tamin’ny 09ora sy sasany tao Ambalamanasy carreau n°01, nisy ankizy milalao nahatsikaritra tongotra olona milevila. Niantso ny manodidina ireto ankizy nefa hagagana ny an’ireto vahoaka fa fatim-behivavy ilay nilevina. Tsy lalina ny nandevenana an’ity vehivavy ity ka vao avy ny orana dia nivoaka ny rantsam-batany, saingy ny olona dia tsy fantatra intsony ny momba ity vehivavy ity izay heverina fa nisy namony; efa potika ny tarehiny saingy hita ihany fa manao ireny solovolo na “postiches” ireny ilay vehivavy hita faty. Raha natao ny “medicine légale” dia nahita ny mpitsabo fa tombanana ho faty herinandro no namonoana ity tovovavy ity. Tsy nisy ny taratasy nahafatarana ny mombamomba ity tovovavy ka efa nalefa eny amin’ny tranom-paty hopitaly be ny razana.

Faty fahatelo hita teto Toamasina renivohitra, dia hita tao amin’ny tetezana hopitaly be izay lehilahy tohony ho 30 taona no hita faty teo amin’ny vinany. Raha ny tombana dia maty an-dranomasina ity lehilahy ity ary nafefiky ny rano nihazo ny vinany ary niditra ny ranomamy eo amin’ny ranon’ny Pangalanes. Efa naratra ny lohany saingy tsy nahita ratra vono olona taminy. Tsy nisy taratasy namantarana azy taminy ka nalefa eny amin’ny tranompatin’ny hopitaly be ny razana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici