Nandray baiko tamin’ny talen’ny filaminana anatiny eto Toamasina ny teo anivon’ny UIR na “Unité d’Intervention Rapide”, amin’ny famongorana ny tsy filaminana indrindra ny resaka famakiana fiara amin’izao fialan-tsasatra izao. Maro mantsy ny mpivahiny mandalo eto Toamasina, ka mila arovana tahaka ny Malagasy rehetra eto Madagasikara. Vokatra voaray izany dia maty voatifitry ny UIR ilay lehilahy ikohizana, ingahy Tantely, amin’ny famakiana fiara. Raha ny tantaran’ingahy Tantely dia ny fangalarana moto no tena fanaony sy nampalaza azy tany aloha, nefa izao lasa mpamaky fiara izao. Efa nisy koa ny “video” azon’ny olona vahiny teny amoron-dranomasina nahita ny fomba fanaon’izy ireo amin’ny famakiana fiara. Noho ireo antony ireo dia tsy sarotra tamin’ny polisy ny UIR ingahy Tantely ka mora ny nanara-maso azy. Nisy ary “operation” nataon’ny UIR nikarohana an’ingahy Vorondolo izay solon’anaran’ingahy Tantely. Efa mpamerin-keloka ingahy Tantely na i Vorondolo, ka tsy nisy fandeferana ny fikarohana azy. Nandritra ny fitadiavana azy dia hita izy ary niezaka ny nitsoaka nefa tratry ny be noho ny vitsy dia lavon’ny balan’ny polisy ny UIR ny tenany. Voalaza ary fa afa-doza i Toamasina satria efa mihena ny famakiana fiara izany eto Toamasina. Nambaran’ny talen’ny filaminana anatiny, kaomisera Rakotovao Christian, fa mbola hitohy hatrany ny ezaka raisan’ny polisim-pirenena amin’ny fisahanana ny filaminam-bahoaka ary ny baiko efa azon’izy ireo tsirairay avy.
Malala Didier