“Ny fiainana ve no efa sarotra” sa “ny teknolojia no efa mandroso loatra” ka lasa mampirongatra ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny finday sy fampiasana vola sandoka izay mampigadra mandra-pahafaty araka ny lalana Malagasy. Tena mirongatra izy ireo ankehitriny eto Toamasina, ary ireo mpivarotra sy mpanao “vente en ligne” no tena lasibatra ao anatin’izany.
Tahaka ity tranga niseho tao Andranomadio ity izay nisiana lehilahy iray mirevy nividy labiera. Raha lany ny zavatra novidiany ka andoa ny vola izy dia vola sandoka 20.000 ariary no nandoavany izany. Toy izany koa ity niseho mbola tao Andranomadio toerana mifanalavitra ity, raha lany ny labiera novidiany ka andoa ny vola ity rangahy ity dia vola sandoka 10.000 Ariary ny natolony ilay mpivarotra. Rahefa lasa ireto olona ireto vao tonga saina ilay mpivarotra raha nanome famerim-bolan’olon-kafa, nefa ireto mampiasa vola sandoka efa tsy teo intsony sady izay koa olona tsy teo amin’ny Tanàna.
Misy koa mpisoloky mampiasa hafatra miafina tsy izy fa “foska”. Ireo mpanao “vente en ligne” na ireo varotra anaty tambanjotran-tserasera no tena voa. Misy manafatra entana ka raikitra ny ady varotra dia misy hafatra miafina tonga fa voarain’ilay mpivarotra ny vola. Aoriana izay dia milaza ilay mpividy fa nihoatra ilay vola lasa, ka averina ilay vola nihoatra. Raha jerena tokoa dia mihoatra ny vola; saingy vola tsy misy fa hafatra lainga no tonga. Vao miverina ny vola dia tsy azo finday intsony ilay olona. Ny vola lasan’ireo mpisoloky ao anatin’izany, ary betsaka ireo mpanao izany ankehitriny.
Manao ezaka amin’ny fanaraha-maso azy ireny ny mpitandro filaminana saingy sarotra ny asany eto. Efa maro ny fitarainana voaray tato ho ato izay, fa vao haingana kosa ilay fampiasana vola sandoka amin’ny andro hariva. Nilaza izy ireo fa tsy maintsy no tratra izy ireo na ho ela na ho haingana, satria tena fanentriben’ny firenena ny fanaovana izany.
Malala Didier


