- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Misy fanandevozana amin’ny endriny vaovao…

Toamasina renivohitra : Misy fanandevozana amin’ny endriny vaovao…

Mpimasy iray tao Ambolomadinika Toamasina no voasambotry ny mpitandro ny filaminana, ka tovovavy maromaro no efa niaritra an-taonany maro amin’ny fanagejana natao taminy. Saika fanangejana ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-panahy no nahazo azy ireo nandritra izany. Fantatra fa mpimasy iray antsoina hoe Razanadrajaona Daniel monina ao amin’ny parcelle 13/36 Ambolomadinika no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava. Ny anton’ny fisamborana dia tovovavy maromaro no nitory azy vokatry ny fanararaaotana ara-nofo, sy herisetra ara-tsaina, ary fampiasana ireo tovovavy amin’ny fivarotan-tena. Manao izay fomba rehetra hisarihana tovovavy ilay tovolahy milaza azy ho mpimasy, ka ireo rehetra izay mandalo ao an-tranony dia lasa voafatotra ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-nofo avokoa. Voalaza moa fa ao anaty “facebook” no hanjonoany ireo tovovavy kendreny rehetra amin’izany, ao koa no andreseny lahatra azy ireo. Lasa tsy tompon’ny tenany ireo tovovavy voajonony, ka tsy mahatsiaro ny tena intsony ary asainy manao ny sitra-pony sy hanaovany izay tiany hatao ihany koa. Ny loza aorian’izany dia asainy miravo-tena amin’ireo olona mpanam-bola ireo tovovavy, ka ny vola azo amin’izany dia alainy avokoa ary tsy omeny vola ireo tovovavy ireo mandritra izany. Ireo tovovavy efa tafaverina ny sainy no mitory azy amin’izao zavatra ataony izao, ka antony nisamboran’ny polisy azy. Tsy tianay hahazo tovovavy hafa intsony ny zavatra efa nahazo anay ka izany no nahatonga anay nitory an’i Razanadrajaona Daniel, hoy ny tovovavy iray nijoro vavolombelona, ary manana ny porofo rehetra izahay raha mandà izy. Efa mitady handroaka azy moa ireo mpandala ny fomban-drazana ao amin’ny fikambanana misy azy, satria efa fanimbazimbana ny moasy gasy no ataon’ingahy Razanandrajaona Daniel. Fantatra sahady izao fa efa any sahady ny mpanelanelana mikasika ity raharaha ity, ho an’ireo olona ambony nahazo tombontsoa taminy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici