- Publicité -
mercredi, décembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Mpanolana sarona sy mpanagalatra maty voatifitry polisy

Toamasina renivohitra : Mpanolana sarona sy mpanagalatra maty voatifitry polisy

Lehilahy iray manambady aman-janaka sarona fa nanolanana tovovavy vao 15 taona tao Mangarivotra P/elle 21/51 Toamasina renivohitra ny harivan’ny alahady teo. Teo am-pandehanana hamonjy ny toerana fandrony noho ny hafanana eto Toamasina ankehitriny ilay tovovavy no narahan’ity rangahy ka naolany teo ampanaovana fandrona sady norahonany ho vonoina. Nanaovan’ilay rangahy ny filany tao ilay zazavavy ka raha vita ny nataony dia lasa ilay rangahy no mbola nanamafy ny fandrahonany. Nilaza tamin’ny reniny avy hatrany ny nanjo azy ilay tovovavy, ka ireto ray aman-dreniny indray no nampandre ny mpitandro filaminana taorian’izany. Tonga ny polisy nisambotra ilay rangahy manambady aman-janaka mpanolanana ary nentina nanaovana fanadiadiana teny amin’ny kaomisaroan’ny polisy ny tenany. Andrasana ny  tohiny ny raharaha, fa ilay rangahy nandà mafy fa ilay tovovavy mitazona azy ary nilaza fa norahonany raha mamoaka ny marina. Ankilan’izay dia tao Mangarivotra  atsimo ihany, jiolahy iray matin’ny polisin’ny UIR Toamasina, raha teo am-pikasana hanapoaka tranon’olona teo akaiky teo ihany. Araka ny tatitry ny talem-paritry ny pilisim-pirenena kaomisera Rakotovao Christian, fa efa nahazoana vaovao mialoha ny fikasan-dratsin’ity Jiolahy ity tamin’io fotoana nahafaty azy io. Tsy mitsitsy ny polism-pirenena amin’izao ankatroky ny krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao 2026 izao, fa izay vandana dia kary amin’izy ireo izao. Efa maro ihany ny fitarainana voaray momba ny famakiana trano ao Mangarivotra atsimo ao hoy hatrany ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ka hisy hatrany ny fanaraha-maso iny fokontany iny ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici