Nanomboka omaly ny fitokonana faoben’ny mpiasan’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, araka ny fampahafantarana efa nataon’izy ireo tamin’ireo solontenam-panjakana samihafa teto Toamasina, noho ny olana goavana iainan’ireto mpiasa efa am-bolana maro izao. Raha ny fanazavan’ireo solontenan’ny mpiasa nanome ny fanazavana ny antom-pitokonan’izy ireo manomboka omaly ity, dia noho ny resaka karaman’izy ireo tsy omen’ny kaominina, nefa misy mahazo izany hatrany ireo olona mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanana, no niteraka izao fitokonana tsy misy fetrany izao. Araka ny fanazavana azo dia efa efa-bolana izao no tsy nahazo ny karamany ireo mpiasa raikitra, raha efa mahatratra 16 volana kosa ireo mpiasan’ny kaominina an-tselika izay ny ankamaroany dia ireo mpanadio tanana. Nomarihan’ireto mpiasa mitokona ireto koa fa tsy mba isan’ny mpiasam-panjakana misitraka ilay fanondrotana karama nambaran’ny filoham-pirenena tamin’ity taona ity koa izy ireo, nefa efa hifarana ity ny taona 2018. Milaza ny nanome toky ny mpiasa mitokona ny ben’ny tanana Ratsiraka Elisé Laurent, omaly, fa hamoaka ny karama roa volan’ny mpiasa. Ho sarotra ihany anefa izany, hoy ny mpiasa, satria tsy vao izao no nilazan’ny ben’ny tanana toy izany, saingy Ambatobevohoka hatrany izay lazainy fa tsy mety tanteraka mihitsy. Niavaka koa anefa ity fitokonan’ny mpiasan’ny kaominin’i Toamasina omaly tsy hisy fetrany ity, satria tamin’io omaly io koa no natao ny mariazin’ny zanaky ny ben’ny tanana Ratsiraka Elisé Laurent, izay antony namindrana ny biraon’ny SRMV ho eny amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana tamin’izao fihodinana faharoan’ny fifidianana izao. Vao nigadona ny ben’ny tanana sy ny zanany ary ny vinantony, notronin’ireo fianakavian’ny andaniny sy ny ankilany avy, dia horakoraka fitakiana karama tamin’ny ben’ny Tanana no nitsenan’ireo mpiasa mitokona azy. Voatery niantso mpitandro ny filaminana ny ben’ny tanana nisahana ny filaminana nandritra ny fanambadian-janany, saingy rehefa tena nandeha ny lanonana rehetra dia nohajain’ireo mpitokona izany, satria ny heloky ny rainy tsy heloky ny zanany amin’ny olan’ireto mpiasa tsy nahazo karama ireto.
Malala Didier