- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Nihemotra ny tatitry ny fandaniam-bolan’ny kaominina

Toamasina renivohitra : Nihemotra ny tatitry ny fandaniam-bolan’ny kaominina

Mivory ara-potoana nanomboka ny 25 may teo ny mpanolotsain’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Lahadinika maro no hodinihan’izy 19 mianadahy mandritra ny iray volana, ka isan’ireny ny “compte administratif” na ny fandaniam-bola nisy teo anivon’ny kaominin’i Toamasina ny taona nivalona iny.

Ny alatsinainy 31 may teo no nodinihan’ireto mpanolotsaina ireto izany, saingy naato mihitsy noho ireo tsy fetezana maro be tsikaritry ny mpanolotsaina maro an’isa tao anatiny. Nisy vokatr’izany ny fampiantsoana nataon’izy ireo ny ben’ny tanàna mikasika ity “compte administratif” tsy manara-dalàna ity, ka nandritra izany no nanazavan’ireo mpanolotsaina, araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpanolotsaina, ny fomba fanaovana ilay tatitra ny fandaniam-bola ny taona lasa sy ireo zavatra tokony ho hita ao anatin’izany tatitra izany. Mahita mantsy ireto mpanolotsaina ireto fa tena kitoatoa ny fanaovan’ireo teknisianan’ny kaominina ity tatitra momba ny fandaniam-bola ny taona lasa ity. Maro koa ireo tsy hita ao anatin’izany tatitra izany nefa isan’ny tadiavin’ireo mpanolotsaina.

Tena ilain’ny kaominina ny mahavita ity “compte administratif” ity ary lanian’ireo mpanolotsaina, satria izany no ahafahan’ny fitsarana misahana ny ara-bolampanjakana manapaka fa ara-dalàna ara-pitantanana ny kaominina iray. Ahafahana mampiato ny ben’ny tanàna araka ny lalana ny faharatsian’izany sy ny tsy fahavitany izany ara-potoana. Nitsahatra hatreo izany ny fandinihan’ireo mpanolotsaina ilay tatitry ny “compte administratif” ity. Raha tratra ny fanaovana izany dia hodinihina amin’ny fiafaran’ny fivoriana, fa raha tsy izany dia hisy indray ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana izany indray hataon’ireto mpanolotsaina aorian’izao fivoriana ara-potoana izao.

Mitohy ihany, na izany aza, ny fivoriana ara-potoanan’ny mpanolotsaina maharitra iray volana, ka raha ny fandaharam-potoanan’izy ireo, dia hisy ny fihaonan’ireto mpanolotsaina ireto amin’ireo mpiasa milaza ho tsy nahazo karama tao anatin’ny 6 volana izao, mba hahafahan’izy ireo mandinika ny fanapahana horaisiny aorian’ny fivoriana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici