Nanapa-kevitra ny governorana ny Toamasina sy ny Dren atsinanana ary Emmo atsinanana, fa miverina mianatra nanomboka ny talata teo ireo mpianatra eo anivon’ny lisea sy ny Ceg ho an’i Toamasina renivohitra. Ireo mpianatra eo anivon’ny Epp sy ireo kilasy ambany mbola ho fantatra amin’ny fotoana manaraka ny fiverenan’ny fampianarana, ireo sekoly tsy miankina izay miankina amin’izy ireo ihany sy ny Didec eo anivon’ny sekoly katolika, ny fiverenana an-tsekoly. Ny fatapahan’ny fampianarana talohan’izao dia vokatry ny zava-nisy teto Toamasina izay nampisy korontana ihany noho ny fitakiana nataon’ireo an-dian’olona sy ny mpianatry ny oniversite. Izay no nahatonga ny solombavambahoakan’i Toamasina Roland Ratsiraka namoaka fanambarana mihintsy ny talata maraina teo ny tsy hisian’izany fidinana an-dalambe, indrindra ho an’ireo mpianatry ny oniversite, fa misy an-dian’olona mitady hampisy savorovoro sy adin’ny samy vahoaka teto Toamasina. Efa hita teny akaikin’ny campus ny oniversite ireto an-dian’olona ireto nandritra io alatsinainy, izay nambaran’ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka hoe “mercenaire” politika, ka hanimba sy handoto ny hetsika sy ny fitakiana izay nataon’ireto andian-tanora. Ankilan’izany koa dia nanomboka nisokatra avokoa ihany koa ireo magazay nikatona teo aloha nanomboka ny talata teo. Raha ny fanadiadiana natao dia noho ilay kabary nataon’ny filoha tamin’ny haino aman-jery no nanome toky azy ireo hanokatra ny fivarotany, na mbola eo aza ny tahotra mikasika ireo andian-jatovo mpandromba. Saika nanao fanaraha-maso ny manodidina rehetra ireo mpitandro ny filaminana tao anatin’izany rehetra izany mba hampitony azy ireo. Ankoatra izany dia nisy koa ny fanambarana nataon’ny filohan’ny oniversite ny tokony hisian’ny fitoniana eo anivon’ny oniversite. Afaka mitaky sy mitokona ny mpianatra fa tokony eo anivon’ny toeram-pianarana ihany, mba hisorohana ny zavatra hafa mety hitranga noho ireo andian’olona mitady korontana efa miandry aty ivelan’ny fefin’ny oniversite miaraka amin’ireo fitaovam-piadiana (pilotra sy antsy be ary kibay) samy hafa entin’izy ireo. Na eo zany rehetra izany dia tsy nahasakana ireo andian’olona hafa avy eny Barikadimy ny nivoaha nitadahatra hiakatra aty an-drenivohitra haneho ny heviny. Efa eny manakana azy ireo ny mpitandro ny filaminana mitambatra misahana ny raharaha ts hisian’ny olona.
Malala Didier