Hafa kely ny zava-misy ao amin’ny tsenan’ny bazary kely sy bazarim-bolondolo Ambalomadinika. Vehivavy indray no manendaka ao ary vehivavy dimy mirahavavy no indray voasambotra mpanendaka mpiantsena ao. Nanao ezaka ny kaomisera “centrale” ny kaomisera Rakotondraivonona Panoel Tsiky nahatrarana azy ireo satria maro ireo mpiantsena voan’izy ireo saika isan’andro, tahaka ity mpiantsena iray very vola 20.000 ariary noho fandidian’izy ireo ny poketran’ireo mpiantsena. Tahaka izao no ataon’ireto vehivavy mpanendaka ao bazary kely ireto; dimy vavy izy no mpiara-dia ka ny sasany mifampikasoka amin’ilay endahana, ny hafa kosa mandidy ny poketra amin’ny hareza ary ny ambiny maka ny vola ao anatiny sy ireo sazatra hafa mety ho atao vola. Tratra izy ireo ny farany raha nataon’ireo polisy kaominaly ny faraha-maso noho ny fitarain’ity vehivavy tratran’izy ireo ity. Voasambotra ny iray aloha ka natolotra ny polisin’ny “SUT”; avy hatrany moa dia nanoro ny namany ity voasambotra ka nanao fididinana ifotony ny polisim-pirenena tao Bazary kely, ka tratra tamin’izy ireo ny ravim-bola 20.000 ariary miisa efatra, sy finday halatra ary “carte bancaire” sy taratasy avy nakana vola tamin’ny “western union”. Hita koa nandritra izany tapakila na fiara taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina miisa valo, midika izany isany mpandrava sy mpanendaka olona vao tonga eo amin’ny “gare routière” koa ireto vehivavy voasambotra ireto. Efa mandeha ny fanadiadiana atao amin’ireto dimy vavy voasambotra ireto amin’izao, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha na hahazo fahafahana vonjy maika na ho voahazona am-ponja izy ireo amin’ny fitsarana.
Malala Didier