- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Olona roa maty an-drano mifono mistery…

Toamasina renivohitra : Olona roa maty an-drano mifono mistery…

Vao niandoha ny taona dia efa nitrangan’ny loza an-drano teto Toamasina. Araka ny tatitra azo, ny antoandron’ny alatsinainy 02 janoary 2023 teo dia tovolahy antsoina hoe Jery Fabrio 12 taona mpiala sasatra eto Toamasina ao Ambalamanasy no tra-doza tampoka tao amin’ny renirano Ranomainty, ao Ambalamanasy carreau I. Ny fanazavan’ny fianakaviany no nahalalana fa handeha hihaza vorona no nialany tao an-trano. Raha ny fanazavana hatrany dia nisy vorona roa narahiny tamin’ny filesy teny an-tananan’izy ireo. Narahany hatrany ireto vorona roa ary efa lasa tany amin’ny 03km miala ny tranony. Teo no voan’ny balam-pilesy ny iray ka latsaka tany anaty ranon’i Ranomainty. Vokatr’izany dia nitsoraka tao anatin’ilay Ranomainty nisy ilay vorona voany ilay tovolahy. Raha ny filazan’ny olona dia mbola nipoitra ihany izy rehefa nilentana voalohany. Niverina fanindroany nitady ilay vorona tao anatiny rano indray ka teo no tsy nipoitra intsony. Na izany aza dia niezaka nisintona azy ny namany fa saingy nibolitra hatrany. Tsy tafaverina an-tanety intsony Ingahy Fabio nanomboka teo, teo dia tsy hita intsony ny fatiny. Ny talata 03 janoary tamin’ny 07 ora sy sasany maraina vao hitan’ny fokonolona ny razana. Nambaran’ireo fokonolona fa tena mistery tanteraka ny fomba nahafaty an’i Fabio ity. Fantatra ihany koa fa efa noraran’ny fianakaviany izy tsy handeha lavitra miala ny tanàna. Ny loza koa anefa, raha nitondra ny razana ho any Vavatenina, ny 04 janoary 2023, ireo fianakaviana, dia tra-doza tao Ambotiantafana ny fiara iray nitondra ny fianakaviana hanatitra ilay faty. Potika ilay fiara, ka voatery niova fiara hafa indray, nefa teo dia mbola nisy bibilava nisakana ilay ny lalan’izy ireo teny an-dalana. Vokatr’izay dia voatery nanao fombafomba malagasy ny fianakaviana mba hialana amin’ny toe-javatra tahaka izao, ary tonga soa aman-tsara tao Vavatenina ihany ireo fianakaviana ireto ny alarobia 04 janoary 2023 io. Ankoatra izany, ny antoandron’ny talata 03 janoary 2023 teny amin’ny faridranomasina Darafify Toamasina, dia tovolahy antsoina hoe Jimmy Ramanantsoa 25 taona monina ao Tanambao faha-05 no tra-doza. Nandro izy ary lasan-dranomasina. Niezaka nanavotra azy ny namany nandritra izany, saingy niala maina. Ny alarobia tamin’ny 07 ora maraina vao hita ny razana, ka teny ampovoan-drano tamin’ny toerana nilomanosany no nahitan’ny mpanarato azy, izay nambaran’ireo mpanarato fa nahitana endrika may ny tarehiny, tahaka ireny main’ny herinantra ireny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici