Nanao fanapahana ny kaominina niaraka tamin’ny talem-paritry ny fahasalamana ny olona sy ny fahasalaman’ny biby, amin’ny famonoana ireo alika mpirenireny tsy mana-tompo eto Toamasina renivohitra. Ireo faritra be alika mpirenireny toy ny tsena sy fokontany maromaro ary ireo trano fivarotana sakafo ahitana alina no anaovana ny hetsika izay atao, Araky ny tatitra voarain’ireto tompon’andraikitra fa maro ireo olona voakaikitry ny alika nandalo fitsaboana, satria fantatra fa harimontana mitranga tsy misy fanafany intsony. Niisa 93 ireo voakaikitra nanomboka ny voalohan’ny volana aogositra ka hatramin’ny fiandohan’ny volana septambra teto anivon’ny kaomnin’i Toamasina. Vokatra izany dia miroso amin’ny famoana alika faobe mpirenireny ireo tompon’andraikitra, ka mandritra ny hetsika natao hatramin’izao dia efa maro ireo alina maty. Efa nisy tranga maro efa navoaka teto indrindra ilay mpibaiko alika voakaikitra matin’ny haromontana, nefa maro koa ny nahazo vakisiny ara-potoana izay maimaim-poana eny anivon’ny hopitaly. Natao izao hetsika izao ho fitsinjovana ny vahoaka amin’ny fahasalamany, satria efa miparitaka be ity aretina haromontana ity, izao tsy mahavoa ny olona raha tsy avy amin’ny kaikitry ny biby. Mitohy hatrany ny hetsika natao rehetra mandra-pahatongan’ny tsy fiparitahan’izany haromontana izany. Hatreto mbola tsy namoaka tatitra tamin’ireo alika maty novonoina ireo tompon’andraikitra, ka miandry izany ny rehetra tamin’ny hetsika natao.
Malala Didier