- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tena tsy milamina ny tanana…

Toamasina renivohitra : Tena tsy milamina ny tanana…

Nitrangana vono olona indray tao Salazamay P/elle 14//21 ny alin’ny alatsinainy nifoha talata teo tokony manodidina ny 10ora alina. Tovolahy iray mponina ao Salazamay ihany no maty voatsatoka antsy ny alin’io ihany. Manao fiambenana tananam-bazaha ity tovolahy ity, ka niditra ireo andian-jiolahy saika hangalatra tamin’ilay tanana ambenany dia voatery niantso vonjy izy. Vao nahare izany anefa ireo andian-jiolahy dia nampangina azy tamin’ny tsatoka antsy azy, ka maty tsy tsa-drano ilay tovolahy mpiambina. Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ilay vahaza tompon’ny tanana ireto jiolahy, hany ka ny finday tany amin’ilay mpiambina no nalain’izy ireo dia lasa izy ireo, tsy tafiditra tao an-trano. Araka ny fanazavana dia maro ireo olona mitangorona eo akaikin’ity trano ity isan’andro, tsy fantatra na manao “wifi” maimaim-poana avy amin’ilay tranom-bazaha, na manao inona marina, fa ny zavatra hita aloha dia raiki-tahotra avokoa ireo mponina manodidina, satria toerana tsy fahitana faty olona ity toerana ity, ary toerana tsy fitrangan’ny halatra manono olona tahaka izao. Manao antsy avo noho izany ireo mponina manodidina ny mba hisian’ny mpitandro ny filaminana mihaodihaody manodidina eny isan’andro na alina na antoandro. Efa tonga naka ny razana moa ny havan’ny maty ary nanampy tamin’ny fikarakarana izany ilay vazaha. Ankoatra izay dia velon-taraina avokoa ireo olona nidaroka ilay mpangalatra “speaker” tao Tanambao V, satria mivonto sy manaintaina mafy avokoa ny tongotra sy ny tananan’ireo nidaroka sy nandaka ilay jiolahy mpangalatra ity. Ireo nidaroka azy tamin’ny hazo ihany no tsy naninona tamin’izao tranga hafahafa izao. Efa navotsotra anefa ilay jiolahy taorian’izany rehetra izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici