- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tovolahy 12 mpifoka sy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy

Toamasina renivohitra : Tovolahy 12 mpifoka sy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy

Ny talata hariva tokony tamin’ny 4 ora teo no voasambotry ny polisy ireo tanora sady mpifoka no mpivarotra rongony eny amoron-dranomasina eto Toamasina renivohitra. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny polisim-pirenena Toamasina dia mbola misy latsaky ny 17 taona ireto tanora mpifoka sy mpivarotra rongony ireto, nefa moa efa nilaza ny talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana, Rakotovao Jean Christian, fa tsy azo ekena ny fidorohana ireo zava-mahadomelona ireo noho izy ireo mitarika amin’ny asan-jiolahy sy zava-dratsy manakorontana fiarahamonina. Fantatra mantsy amin’izao fa rehefa avy midoroka ity zava-mahadomelina ity ireo tanora voasambotra ireo, dia lasa mamaky fiara iray hitany miantsona eny amoron-dranomasina, sy mitondra antsy mandrahona olona amin’ny lalana alehany mba hendahana, ka izay no mampirongatra ireny asa fanendaha hita eny amin’ny fokontany ireny mazana tato ho ato vao maizina ny andro. Mandeha ny fakana am-bavany ireto tanora ireto amin’izao mba hahafantarana ny marina, sy ny tena zava-misy momba izao raharaha zava-mahadomelina mirongatra be eto Toamasina amin’izao ity. Mbola mandeha hatrany ny « opération » filaminam-bahoaka fanaon’ny polisy eto Toamasina, araka ny baikon’ny fampanoavana sy ny talen’ny filaminana anatiny Atsinanana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici