Nisy tranga tsy dia fahita firy mandritra ny lanonam-panjakana nitranga teto Toamasina, ny alakamisy misandratr’andro teo, nandritra ny fitokanana fanarenan-dàlana nataon’ny minisitry ny asa vaventy tao Bazary kely. Tao anatin’ny hiram-pirenena indrindra no nisy mpitondra posy roa niady sy nifandaroka tsy lavitra ny sehatra nisy ireo solontenam-panjakana. Tampoka teo nifandaroka sy nifamelaka tehamaina ary niady tanteraka ireto lehilahy roa mpitondra posy. Tsy fantatra ny antony, fa hagagana ny an’ny rehetra nahita izany, nefa avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny polisy tsy lavitra teo nisambotra azy roa lahy. Raha ny fanazavana, dia ny tsy fanajana ny hiram-pirenena sy ady an-dalam-be no heloka anenjehana azy roa lahy ireto. Omaly ihany taorian’ny fanadiadiana nataon’ny polisy azy roa lahy dia nentina teo anivon’ny fitsarana izy ireo, ka miandry fitsarana am-ponja avy hatrany, ary hatao afaka 20 andro ny fitsarana ny raharahan’izy ireo hifanazavan’izy ireo ny heloka vitany tao anatin’ity lanonam-pitokonana teto Toamasina ity.
Malala Didier