- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Roalahy mpively amin’ny antsibe, voasambotry ny polisy

Toamasina : Roalahy mpively amin’ny antsibe, voasambotry ny polisy

Nampihorohoro ny mponina tao Analakininina Morarano, tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao ireto roalahy ireto. Izy ireo izay mitondra antsibe sy tsy menatra mihitsy ny midaroka sy manao herisetra aman’olona. Nidinan’ny pôlisy avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza izy ireo ary voasambotra soa aman-tsara, afak’omaly alina.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, nahazo antso amin’ny mponina any amin’io « quartier » iray ao Toamasina io ny pôlisy mahakasika ny fisiana olona hafahafa fihetsika, mitondra fitaovam-piadiana ary  mampihorohoro ny mponina. Nandray andraikitra avy hatrany ireto mpitandro filamnana ary nampiasa fahaiza-manao hipaingorana izany olona izany. Tsy ela tokoa dia tafaroboka tao anatin’ny haraton’izy ireo, izy roalahy ireto. Mbola hita teny amin’izy ireo ilay antsibe, miendrika fikàpna hena aty an-drenivohitra ireny, izay nentin’izy ireo nampitahorana ireo izay nifanena taminy. Nosamborina ary nentina nihazo avy hatrany biraon’ny pôlisy moa izy roalahy 20 sy 35 taona ireto, ho amin’ny fanadihadiana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici