Mitohy hatrany ny fisahanan’ny polisim-pirenena ao Toamasina araka ny baiko midin’ny lehiben’ny fampanoavana ao Toamasina azy ireo, amin’ny fikarohana sy fisamborana ireo mpivarotra sy mpifoka zava-mahadomelina, izay ambaran’izy ireo fa fototry ny tsy filaminam-bahoaka.
Ny zoma 06 may teo, tao Tanamakoa, dia mpivarotra ambongadiny rongony no saron’ny polisy. Nandritra ny fisavana ny trano no nahitana ireo rongony milanja 16kgs sy 300g nafenina tao ambany gorodona sy ambany fandriana. Ity rangahy be nahatrarana rongony ity araka ny fanazavana azo, dia efa mpamerin-keloka amin’izao fivarotany ambongadiny rongony izao. Avy any Toliara nentina taxi-brousse sy kamiao ireo rongony amidiny ao Toamasina ireto; izay efa ananany mpanjifa sy mpitsinjara maromaro ihany koa, manaparitaka azy ao Toamasina sy ny manodidina rehetra. Tao Mangarivotra ihany koa dia ramatoa iray sy tovolahy iray mpivarotra sy mpampifoka rongony no tratran’izy ireo. nilanja 500g mbola amin’ny fehiny no hita tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana ny trano, ny alarobia 4 may teo. Ankilan’izay dia tratran’ny polisy tao Toamasina, ny alarobia lasa teo io kosa nandritra ny hetsika manokana nataon’izy ireo, ireo roa lahy nanafika tamin’ny antsy ity mpivarotra fahana hody hariva tao Ambolomadinika. Very nandritra izany ny “carte bancaire”, finday maromaro, vola maty tamin’ny varotra fahana fanaony; saingy tamin’ny fahatrarana azy ireo dia hita ilay “carte bancaire” sy ireo finday sasany.
Anio alatsinainy no hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ireo olona 3 mianaka tratra tamin’ny rongony, sy ireo roa lahy tratra nanafika mpivarotra fahana ireo.
Malala Didier