Naharitra adiny iray sy sasany famataranandro ny fifamaliana teo amin’ny polisy, ankilany, ary teo amin’ny zandary, andaniny, tany Toamasiana tamin’ny zoma alina teo. Saika raikitra mihitsy aza ny fifampitifirana, raha ny loharanam-baovao voaray no lazaina. Farany moa, nilamina ihany ny toe-draharaha rehefa nidina nandamina ny lehiben’ny zandary tany an-toerana. Voasoroka ihany izany ny saika loza. Tao anaty “bar” no nisy izany.
Araka ny fantatra dia tsy maintsy mihidy amin’ny 10 ora alina ny fivarotana zava-pisotro mahamamo, toy ny “bar”, na ireo manaram-penitra, misy trano, na ireo anaty “sachet” any an-toerana. Eny amoron-dranomasina. Misy ihany anefa ireo tsy manaraka izany noho ny antony samy hafa. Tongo ny polisy tany an-toerana nanao ny asany. Rehefa teo amin’ny trano iray anefa, izay tsy mbola nihidy, dia tojo zandary maromaro izy ireo izay mbola tratra aorina ny fanidiana azy. Ny loharanom-baovao fantatra no nilaza fa toa hoe tsy nety niala ireto farany ary nandrangaranga fitaovam-piadiana. Tsy nanaiky ny hikatonan’ilay “bar” koa izy ireo. Ary farany aza dia niantso namana. Voalaza fa avy aty an-drenivohitra izy ireo. Soa, hoy ny vaovao, fa tony ireo hanao ny asany. Raikitra teo anefa ny fifanazavana, indrindra ny amin’ny fampiharana ny làlana misy mifehy ny toeram-pisotroana. Araka ny efa voalaza ery ambony, tonga teo amin’ny toerana ny komandin’ny ‘groupement”n’ny zandary Atsinana nandamina vao niravina ny olana. Ireo rehetra tany an-toerana, indrindra ny mponina dia efa tena nitaintaina fatratra tokoa ny alin’ny zoma teo.
nangonin’i r.s.