- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Sambo voalaza fa nitondra andramena, tsy nahitana afa-tsy sira

Toamasina : Sambo voalaza fa nitondra andramena, tsy nahitana afa-tsy sira

“Efa vitan-dratsy mihintsy no nahazo anay, aiza ka tao anatin’ny dianay hiazo an’i Toamasina dia in-3 nisy olana ny sambonay, hany ka tafiditra amin’ny toerana tokony tsy misy anay, dia izao voaroiroy amin’ny izao trafika na andramena iza”, izay no nambaran’ny komanda ny sambo “Adidja” Atoa Rabesoa, nefa nomarihany fa aleo anao ny asany ny tomponandraikitra mba tena ahitana ny marina. Ny 4 febroary antoandro no niala tao Antsiranana ity sambo “Adidja” ity, izay an-dRtoa Tabavy Nathalie mpandraharaha, raha feno sira nilanja 1.065 taonina sy entana 5 taonina tao anatiny. Avy hatrany dia tao Vohemar ny diany voalohany nanala ireo sira 400 taonina sy entana hafa 5 taonina an’ny mpandraharaha tao an-toerana ny 5 febroary tamin’ny 9ora maraina. Taorian’izay dia nihazo an’i Maroantsetra izy ireo ny 7 feroary tamin’ny 7ora maraina, sira 165 taonina no nalan’izy ireo tany an-toerana raha tonga tany an-toerana tokony misasak’alina. Ny 11 febroary izy ireo no niala tao Maroantsetra hiazo an’i Toamasina, izay nanomboka teo ny olana rehetra hoan’ity sambo “Adidja”. Vao niainga 30min fotsiny tao Maroantsetra ny sambo “Adidja” dia nisy firehetana ny tao amin’ny moterany. Ny 13 febroary vao afaka nanohy ny diany izy ireo saingy adin’ny 3 taorian’izay dia niverina indray ny olana, ka teo no nitondran’ny riaka azy namonjy sisin-dranomasina tao Fanamehana – Manambolosy, efa nampandre ny APMF tao Maroantsetra ny nahazo azy izy ireo tamin’izay. Ny 15 febroary no tonga tao Mananara avaratra izy ireo araka ny baiko raha vita ny fanamboarana ny motera may tokony tamin’ny 10ora alina, ary niala tao ny 16 febroary tamin’ny 4 ora maraina niaraka tamina zandary 2 sy solon-tenan’ny tontolo iainana iray. Tsy lasa lavitra anefa dia ny “Pitch” mampihodina ny “helice” ny sambo indray no tapaka sy nahitana fahasimbana. Nifandray tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny raharaha amin’ny maha-voarohirohy ny sambony ho mpanao trafika na andramena hatrany Rtoa Tabavy Nathalie tompon-tsambo; efa ao anatin’ny olana raha teo ireo tan-tsambo 13 tao anatiny sy ireo zandary 2 ary ilay mpiasan’ny tontolo iainana tao Mananara avaratra manara-dia azy ireo. Nisy noho izany ny fiantsoany vonjy tamin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hitarika ny sambo hatreto Toamasina, ka ny 18 febroary tamin’ny 11 ora antoandro no niatomboka izany, ary ny 19 febroary tamin’ny 01 ora tolakandro vao tonga teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo “Adidja”. Tamin’izay efa zandary nirongo basy sy manam-pahefana samy hafa  ara-pitsarana no nitsena azy ireo nijery ny entana tao anatin’ity sambo ity. Mbola nogiazana ao anatin’ny sambo aloha ireo mpandeha 13 lahy tao anatiny, nanomboka omaly koa ny fisavana ny lakalin’ny sambo. Tsy nisy na singana andramena iray anefa tao anatin’ny sambo “Adidja” afa-tsy ireo sira 500 taonina efa tao anatin’ny taratasy fa haterina eto Toamasina, izay an’ny mpandraharaha mpamongady iray manana ny tranom-barotrany ao Bazary kely nividy azy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici