- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Sarona ny cocaïne 600kg nolazaina fa siramamy

Toamasina : Sarona ny cocaïne 600kg nolazaina fa siramamy

Nolazaina fa siramamy amin’ny gony ireo entana. Kinanjo rehefa nandeha ny fanadihadian’ny zandary avy amin’ny alàlan’ny fitsirihina dia fantatra fa zava-mahadomelina antsoina hoe « crack » na « cocaïne de base ». Ny mahasamihafa kely azy amin’ny cocaïne dia noho izy efa nafangaro tamin’ny singa hafa toa ny karibonetra na amoniaka ary efa mivaingana. Izany hoe efa vonona ny hamidy amin’ireo mpifoka. Sarona tany atsinanana izany taorian’ny fanadihadiana izay efa natomboka tamin’ny volana aogositra raha araka ny fanambaràn’ny zandary. Nisy olona iray nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny fampanoavana ary mbola misy namany hafa izay karohina kosa. Nomarihan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena fa mandalo fotsiny eto amintsika ireo zava-mahadomelina ireo fa saika haondràna any amin’ny firenen-kafa. Manamarina izany fa làlan’ny « drogue » tokoa i Madagasikara noho izy Nosy izay eo ampovoan’ny nosy rahavavy hafa isan’ny mpanjifa. Raha ny tatitry ny Global Initiative izay hivondronan’ny mpanao fanadihadiana tsy miankina iraisam-pirenena dia avy any Afghanistan no amboarina ireo zava-mahadomelina ary mandalo ao afrika atsinanana izay vao tonga eto amintsika. Eo indray dia misy hiparitahany izay matetika dia ireo nosy manodidina. Ny nosy Maurice no isan’ny tena mpanjifa izany eto afrika na dia efa nohamafisina aza ny lalàna momba ny ady amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina (isan’ny mafy indrindra ny sazy ao an-toerana maneran-tany). Vao mainka niroborobo izany nandritry ny vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana. Nomarihan’ny lehiben’ny zandary fa misy hifandraisany amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bolan’ny asa fampihorohoroana ny trafika toa izao ary efa manao ezaka mafy hiadivàna amin’izany ny zandary.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici