- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Sarona ny rongony milanja 55kg, tratra i Nino mpibizina “heroine”

Toamasina : Sarona ny rongony milanja 55kg, tratra i Nino mpibizina “heroine”

Vokatry ny vaovao azon’ny polisy, dia sarona tao anaty Tuc-Tuc teo Ankirihiry ny rongony  milanja 55kg natao tsara fatratra tao anatina valizy maromaro, ny 06 jona tokony tamin’ny 10ora alina, raha avy nalaina tamina taksibrosy tao amin’ny fiantsonan’ny fiara Tanambao V, ary saika haterina amina mpamongady izany ao Andranomadio.

Isan’ny olana iray mampirongatra ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina amin’ny fanendahana sy ny vaky trano ary ny fanafihana tranombarotra mantsy ity rongony fohana ity. Ireo mpanao heloka rehetra izay tratran’ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina dia isany ahitana izany hatrany any am-paosin’izy ireo. Noho izany, isany anaovan’ny polisim-pirenena ezaka manokana ny fikarohana ny mikasika ity rongony fifohana ity, mba hisian’ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina. Ilay mpitondra Tuc-Tuc nitondra azy ireo sy ilay iraky ny mpamongady izany rongony izany izay tovolahy mbola tsy ampy taona, 19 taona, no tratra tamin’izao raharaha izao. Ilay mpamongady kosa mbola karohina, satria nitsoaka izy vao fantany fa sarona ny bizina rongony fanaony. Anio no hiakatra fitsarana aloha ireo roa lahy tratra tamin’izao raharaha izao, ary hodorana tsy ho ela eo imason’ny fitsarana ihany koa ireto rongony maro be milanja 55kg tratra ireto.

Ela niriariavana sy nitoratorahana ihany koa ingahy Nino ka tratran’ny polisin’ny FIP Toamasina sy ireo ekipa avy any Antananarivo manampy azy ireo amin’izao fety izao. Heloka maromaro no manenjika ity tovolahy efa im-betsaka nosamborin’ny polisy, saingy afaka hatrany ity. Eo ny fanenjehana azy ho mpanao bizina rongony mahery vaika avy any ivelany eto Toamasina fitsindronan’ireo tovolahy amin’izao fotoana izao. Saika ny anaran’ity Nino ity avokoa mantsy no voatonontonona ho mpamatsy izany ho azy ireo araka ny angom-baovao natao. Heloka isany anenjehana an’ingahy Nino ihany koa ny vono olona maromaro nataony, teo ohatra ilay nitranga tamina mpivady teratany frantsay tao Sainte-Marie nampisy resa-be teto amintsika, teo ihany koa ilay tranga tao Tanambao V sy tao Ankirihiry ; izay nahavery moto sy nahaverezam-bola tamina mpitam-bola na tranombarotra.

Efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ingahy Nino amin’izao fotoana izao, taorian’ny fiakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly maraina. Raha ny angom-baovao ihany koa anefa, dia mbola misy namany karohana koa niaraka taminy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici