Ela nitoratorahana sy ela niafenana i “Cyrille be” na i Morasaina Gilio amin’ny tena anarany, ka saron’ny polisy misahana ny hery vonjy taitra (FIP) Toamasina tao Tanamakoa. Isan’ireo mpitarika andian-jiolahy mpitam-basy Mahambo, Ampasimbe Manantsatrana ary Vavatenina izy.Raha ny fanazavana nomen’ny Kaomisera Rafaliarivo Jules, dia efa nanomboka ny taona 2015 no nahafantarana an’i “Cyrille be” ity, noho ireo fanafihana mpandraharaha fanaony. Basy kalaky no fampiasan’izy ireo miaraka amin’i Jeannot sy i Vinosy, ankoatra ireo jiolahy hafa mpanampy mandritra izany. Nandritra izay, dia efa nahatratra 7,54 miliara ny volan’ireo no efa lasan’izy ireo; teo ilay vola 140 tapitrisa ariary tao amina mpandraharaha jirofo tao Mahambo, teo koa ny vola 14 tapitrisa ariary tao amina mpamongady tao Ankirihiry, ary ilay vola 600 tapitrisa ariary tamina ramatoa mpandraharaha saika hividianana jirofo tao Ampasimbe Manantsatrana vao avy nalaina tamina banky. Ny volana novambra 2015 dia tratran’ny mpitandro ny filaminana teo am-pandosirana hihazo an’i Mananara avaratra fiaviany i “Cyrille be”, ilay raharaha fanafihana vola 140 tapitrisa ariary tao Mahambo no nanenjehana azy tamin’izay. Ny alatsinainy izao no hiakatra fitsarana ny raharaha…
Malala Didier