- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Sinoa nisy naka an-keriny

Toamasina : Sinoa nisy naka an-keriny

Tamin’ny fotoana nandehanany nody no sendra ireo jiolahy ity mpandraharaha ity

Nisehoana fakana olona an-keriny indray tany Toamasina, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any. Sinoa iray tompon’ny fanaovana mofo Pain Doré no fantatra fa nisy nanakana teo amin’ny vavahady hiditra ny trano fonenany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa marobe ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nisy ny nilaza fa valo izy ireo. Nisy koa ny nanamafy fa efa folo mahery ry zalahy. Tsy nisy afaka nanao na inona na inona teo anoloan’izany, satria samy nitondra basy ireo jiolahy. Tampoka koa ny fisehoan’ny fakana an-keriny ka efa vita ilay izy vao nisy nahita.

Araka ny efa voalaza, handeha hamonjy fodiana ity olona ity no sendra izao zavatra izao. Niala teny Ambolomadinika izy ary hoeny amin’ny tranony eny Mangarano. Lalana mahitsy hatrany no nalehany ary rehefa akaiky ny tranony dia somary misy fiviliana kely tsy manaraka ny lalam-pirenena faharoa intsony. Efa fotoana elaela izay no lasa toerana honenan’ireo mpanambola iny faritra iny. Lasa “quartier résidentiel”. Vao nigadona teo amin’ny vavahady miditra ao aminy anefa izy no nalain’ireo olon-dratsy. Tsy afaka nihetsika fa dia nanaraka. Fiara 4X4 ny azy ary fiara sahala amin’izany koa ny an’ireo jiolahy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa tsy nandeha nanaraka ny RN2 ry zalahy fa niverina any afovoan-tanana. Vao niseho ity zavatra ity dia efa nampahafantarina ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nisy ny sakana natao, ny fisavana ary ny fikarohana ilay fiara. Omaly, efa alina, voalaza fa tsy mbola nahitana vokany izany. Ny sakana rehetra mipetraka mivoaka ny tanana, etsy andaniny dia nohamafisina. Misy ireo mpanara-baovao milaza fa ireo “kidnapping” rehetra niseho tao Toamasina dia tsy nisy nivoaka ny tanana fa tao anatiny tao avokoa. Tsy mbola nandrenesam-peo koa ireo mpaka an-keriny ny amin’izay zavatra tadiaviny.

J.C. Steve/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser